Auteur/autrice : Adnews

Tontolon’ny fitsarana : tsipahin’ny SMM ny tsindry sy ny fibaikoana ny mpitsara

Namoaka fanambarana, nosoniavin’ny filohany ny eo anivon’ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM), omaly, amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa mibaribary sy miitatra ary mikorosy ny asam-pitsarana. Mifanalavitra ny kabary arahin-pehin-kevitra mivoaka sy ny fanapahana raisina, na ofisialy izany na tsia, araka ny fanambarana. Notsiahivin’ny SMM fa nandalo dingana sy […]

Loholona Ramanambintana : nitsidika ny tany Antanifotsy

Fanatevenana ny fahaiza-manao eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Io no anisan’ny nanaovan’ny loholona Ramanambitana Richard, fidinana ifotony tany amin’ny distrik’Antanifotsy, afakomaly. Eo koa ny momba ny adidy aman’andraikitry ny ben’ny Tanàna amin’ny maha mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana azy ireo. Mba hisian’ny fitantanana mangarahara amin’ny fitondrana tsara tantana izay fanatevenana ny fahaiza-manao izay. […]

Fanomanana ny fikaonandoham-pirenena: handray ny Ceni sy ny Pnud ary ireo ambasadaoro ny FFKM

Efa maka bahana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray, omaly fa hifanesy horaisin’ny eo anivon’ny birao foibe ao amin’ny FFKM ireo tomponandraikitra samihafa avy eto an-toerana sy avy amin’ny firenen-kafa. Anisan’ny horaisin’izy ireo voalohany amin’izany anio, ny avy amin’ny Ceni. Hotanterahina etsy amin’ny foibe FJKM Am­pandrana, izany. Hitohy amin’ny fandraisan’izy ireo ny Pr […]

Kick Boxing-Atsinanana : miakatra ny haavo teknikan’ny mpikatroka

Tontosa ny alahady 12 marsa teo, tao amin’ny kianja mitafon’ny CRJS Toamasina, ny fifaninanana taranja kick boxing ho an’ny faritra Atsi­nanana. Fifaninanana hifantenana izay hisolo tena ny faritr’ Atsinanana, hiatrika ny fampiofanana hanomanana ny lalaon’ny Nosy. Miakatra amin’ny tsaratsara kokoa ny lentan’ny taranja kick boxing ao amin’ny faritra Atsinanana, raha […]