Ao anatin’ny vinan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa ny hanamafisana ny hetsika ara-tsosialy eny anivon’ny vahoaka, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny rivodoza izao. Manoloana izany, nanatanteraka hetsika fizaham-pahasalamana antsoina hoe “Magnafana 2023” any amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy, faritra isan’ireo voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ireo miaramila avy ao […]
Auteur/autrice : Adnews
Afovoan-tany : hiverina ny oram-baratra ny alarobia
Ny alarobia vao hiverina ny oram-baratra eto afovoan-tany sy manerana ny Nosy ankoatra ny any amin’ny faritra Sava sy Analanjirofo izay hahazo orana malefaka, hoy ny teknisianina ao amin’ny foibe famantarana ny toetr’ andro, omaly. Ho an’ny anio sy rahampitso, hanjaka ny rahona ary mety hisy orana malefaka ny alina. […]
Distrikan’Ambohidratrimo: mitady asa mahavelona ny tanora
Nanaporofo ny fahasarotana amin’ny fahitan’ny tanora asa ny firohotr’izy ireo teny Ivato nandritra ny fiofanana narahina fandraisana mpiasa teny en-toerana, ny sabotsy teo. Tanora manodidina ny 1000 avy amin’ireo kaominina manodidina ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo no liana tamin’izany. Fiaraha-miasan’ny ben’ny Tanànan’Ivato, Randrianarisoa Penjy sy ny solombavambahoaka, Rakotoarisoa Johnny ary ny orinasa […]
Covid-19 : 52 ny tranga vaovao
Mitombo isan-kerinandro ny olona vaovao voatily fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 52 ny tranga vaovao tao anatin’ny fitiliana 1 361, tsy nisy ny aina nafoy sy ny tranga anaty fahasarotana raha 48 ny marary manaraka fitsaboana hatramin’ny 10 marsa lasa teo. Sambany tsy […]
CEG Nanisana : nanao fitokonana ny mpampianatra
Nitokona ireo mpampianatra eo anivon’ny CEG Nanisana, ny zoma lasa. Nampiato ny fampianarana eny an-toerana izy ireo noho ny antony maro samihafa eo anivon’ny tontolon’ny fampianarana. Nilaza ho tsy manaiky ny fametrahana tale vaovao eo anivon’ ny sekoly izy ireo. Ankoatra izay, mbola tsy nisitraka “vacation” nanomboka ny taona 2019 […]




