Tsara ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra. Nandrombaka medaly volamena 3 sy volafotsy 1 ary alimo 1 izy ireo. Fifaninanana, notanterahina tany Djibouti, nifarana omaly alahady. Nahazo ny tapakila hiatrehana […]
Auteur/autrice : Adnews
Judo-“Africa Cup”: tompondakan’i Afrika Rasoanaivo Razafy Laura
Nahazo vokatra tsara indray ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, notanterahina tany Tunis, ny 9 hatramin’ny 12 marsa lasa teo. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior, Rasoanaivo Razafy Laura. Mitohy hatrany ny fametrahan-dRasoanaivo Razafy Laura ny anarany, eo amin’ ny sehatra afrikanina, ho an’ ny taranja Judo. […]
Mpihira malagasy : eto an-tanindrazana i Mamisoa R.
Razanajatovo Mamisoa, vehivavy mpihira momba ny “Lyrique”. Teratany malagasy, manorim-ponenana any Frantsa izy. Ao anatin’ny fandalovany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, nisy ny fampisehoana notanterahiny teny amin’ny Café du Musée, Andohalo, nanamarihany izany fandalovany an-tanindrazana izany. Nianatra momba ny hira milamina sy ny lanton-kira frantsay ary ny “airs opera” tany […]
«Malgache» hosoloina «Gasitsara» : hisy fiantraikany amin’ny toekarena ny fanovana
Efa misy ny resy lahatra ! Tao anatin’ny taona vitsivitsy, maro amin’ny Malagasy no nahatsikaritra sy miombon-kevitra fa mila ovaina ny « Malgache » izay nohagasiana ho « Malagasy ». Namoaka ny voka-pikarohany ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpitsabo sady mpikaroka momba ny fomba amam-panao sy ny fiarahamonina malagasy, nanambara fa : « « Gasitsara » no tokony hiantsoana […]
Haisoratra : andiany faha-XII ny “Zara Fanahy”
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Volan’ny poezia », hanatanteraka ny hetsika « Zara Fanahy » andiany faha-XII ny Faribolana Sandratra. Hahatratra 13 ireo mpandray anjara eny an-tsehatra, ny 25 marsa izao, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatohabaton’Antaninarenina. Omena lanja sy hasina ao anatin’ity antsa tononkalo ity ny tontolon’ny haisoratra malagasy. Ireo « mpizarafanahy » andiany faha-XII […]




