Auteur/autrice : Adnews

Seho iraisam-pirenena: nahazo ako tsara ny fampisehoan’i Tayc

Am-bolana maro no efa nanomanan’ny mpikarakara sy ny mpankafy an’ity mpanakanto ity ny fampisehoana nataony teto Madagasikara. Ako miabo no azon’ny rehetra tamin’izany fampisehoana izany ary samy afa-po. Tonga maro nijery sy na­natrika ny fampisehoana nataon’i Tayc ny mpankafy azy, indrindra ny tanora, teto Madagasikara. Araka ny nanapoizana azy avokoa […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy maintsy hisy ny fifidianana “

“Tsy maintsy hisy ny fifidianana filohan’ny Repobli­ka amin’ity taona ity. Fa­napahan-kevitry ny governemanta iray manontolo ny momba ny datim-pifidianana amin’ny fotoana mahamety azy”, hoy ny Praimi­nisitra Ntsay Christian, teny amin’ny Cercle Mess Soa­nierana, ny faran’ny herinandro, taorian’ny fivorian’ ireo manamboninahitra tomponandraikitra eo anivon’ny Tafika, nanomezana toromarika amin’ny fiatrehana izay mety […]

Randrianasoloniaiko Siteny : “Tsy voahaja ny demokrasia…”

Nitohy tany Fenoarivo Atsinanana, ny sabotsy teo, rehefa avy any Ikongo ny fidinana ifotony “Mihava Tour”, tarihin’ny depiote Ran­drianasoloniaiko Siteny. Hentitra ny nambarany ta­min’izany. “Tsy voahaja ny demokrasia. Tsy mipetraka ny fahalalahana eto amintsika eo amin’ny lafiny politika sy ny toekarana”, hoy izy. Nohitsiny fa voahitsakitsaka izany ka mahatonga ny […]

Fampiatoana ny filohan’ny Repoblika : nolavin’ny HCC ny fangatahan’ny HCDDED

Namoaka ny fanapahany, manoloana ny fangataham-panazavana nataon’ny eo anivon’ny HCDDED ny ao amin’ny HCC ny faran’ny herinandro teo. Nolavin’ny avy etsy Ambohidahy izany. Tsy azo raisina ny fangatahan’ny filohan’ny HCDDED fa misy ny tsy fanajan’ny filohan’ny Repoblika ny And. 49 amin’ ny lalàmpanorenana, ka tokony hampiatoana amin’ ny asany azy. […]