Niteraka resabe ny fanapahan-kevitra noraisin’i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea fahiny. “Efa manakaiky ny fisotroan-drononoko aho ka aleo soloin’ireo zandrikely ny toerako”, hoy izy, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. Nohamafisin’i Anicet fa tsy mitovy intsony ny herijika entiny tamin’ny Can 2019 sy Can 2024, ka nanapa-kevitra ny tsy hamonjy ny fampivondronana intsony […]
Auteur/autrice : Adnews
Tanora niharan-doza : niray fo sy nankahery azy ireo ny MJS
Nidina avy hatrany tany Fianarantsoa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Andre Haja Resampa, vantany vao naheno ny lozam-pifamoivoizana nahazo ireo tanora avy amin’ny fitaleavam-paritra Matsiatra Ambony. Niray fo tamin’ny fianakavian’ny namoy ny ainy izy ary nankahery ireo naratra miisa 19 mianadahy, teny amin’ny hopitaly CHU Tambohobe Fianarantsoa. Tamin’ […]
« Ligue des Champions » : hanala vela amin’ny Dortmund ny Chelsea
Hotanterahina anio ny fihaonana eo amin’ny Chelsea, klioba anglisy sy ny Dortmund BVB, klioba alemà. Lalao ampahavalon-dalana miverina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na “Ligue des Champions” (LDC). Fihaonana atao ao amin’ny kianjan’ ny Stamford Bridge. Heverina ho toy ny lalao famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta. Hanala vela […]
Fifanintsanan’ny Can: nifandinika ny fanomanana i Dupuis sy ny minisitra André Resampa
Nanatanteraka fitsidihana tamin’ny fomba am-panajana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, André Haja Resampa, teny Ambohijatovo, ny mpanazatra ny Barea, i Nicolas Dupuis. Niresaka momba ny fanomanana ny fifanintsanan’ny Can 2023 izy ireo. Taorian’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny fanatanjahantena sy filohana federasiona isan-tsokajiny, tonga niarahaba sy nirary soa ny […]
Africa Code Challenge 2022 : laharana voalohany ny solontena malagasy
Voahosotra ho mpandresin’ny «Africa code Challenge 2022 » ny solontena malagasy. Tamin’ny alalan’ny tetikasa Ravinala, niarahan’i Henintsoa Camille sy Warren Mériti ary Shekinah Mayevan, nisalahy no nahazoana izany vokatra izany. Lohahevitry ny fifaninanana tamin’iny taona iny ny hoe «Hiara-hiaro ny tontolo iainana isika». « Ity andiany ity no nampitaintaina indrindra. Mbola nasehon’ny […]




