Auteur/autrice : Adnews

Nosy Varika : tonga ny fanampiana

Nizara fanampiana sy tohana ara-tsakafo  ho an’ireo vahoaka marefo sy  niharan’ ny  voka-dratsy  nateraky ny rivodoza Freddy tany Nosy Varika ny fitondram-panjakana. Hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina sy hahafahan’izy ireo miarina haingana izany. Tokantrano miisa 1864  ao amin’ny fokontany 16 ao anatin’ny kaominina an-drenivohitr’i Nosy Varika no nisitraka ny Vatsy tsinjo  […]

Boriborintany enina :1200 ny kopia hozaraina amin’ny mponina

Nosokafana tamin’ny fo­mba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny boriborintany fahefatra ny fizarana kopia faobe. Mahatratra 1200 izany, hozaraina manerana ny boriborintany enina eto An­tananarivo Renivohitra. Hisi­traka izany ireo ankizy latsaky ny 12 taona eny anivon’ny fokontany. Tanjona ny hana­m­piana ny zaza sy ny ray aman-dreny manana olana amin’ny tsy fananana […]

Jly Ramasy Razafindratovo : «Vonona hanohy ireo zava-bitan’ny Tafika »

Vonona ny hanohy ireo zava-bita taloha ary hanao misimisy kokoa hatrany, io no nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena tetsy Ampa­hibe, omaly. Voatendry hisolo toerana ny sekretera jeneraly, tontosa io omaly io ny famindram-pitantanana teo amin’ny sekretera jeneraly taloha, ny amiraly Ranaivoseheno An­toine de Padoue sy ny Jly Ramasy Razafindratovo Heri­tiana. […]

Fifaninanana nahandro: nankasitrahan-dRajoelina Mialy ireo vehivavy telo nisongadina

Maromaro ny hetsika nokarakaraina hampisehoana ny talentan’ny vehivavy malagasy amin’ ny sehatra samihafa ho fanamarihana ny Andro ho an’ny fampivoarana ny zony. Niatrika ny fifaninanana mahandro tetsy amin’ny zaridainan’Anosy ireo vehivavy miavotse avy amin’ny faritra 23, nokarakarain’ny fikambanana Fitia, omaly. Tonga nitsidika ny famoronana sakafon’izy ireo sy nanolotra loka ho […]

Tao anatin’ny herinandro : namono olona ny Covid-19

Ny herinandron’ny 5 fe­broary hatramin’ny 3 marsa teo, olona iray no matin’ny Covid-19, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam- bahoaka. Nahitana trangan’ aretina vaovao miisa 24 ihany koa voamarina teny amin’ny tobim-pahasalamana. Nahatratra 1.190 ireo natao fitiliana rehefa nahiahiana ka ireo 24 ireo no voaporofo fa voan’ny Covid-19. Tsy mbola […]