Auteur/autrice : Adnews

Fotodrafitrasa -CUA: nahazo 10 tapitrisa euros avy amin’ny AFD

Nifanaraka omaly, ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny vola, tamin’ny AFD (Agence française du dé­veloppement) ny amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eto an-dRenivohitra. Nanome vola 10 tapitrisa euros ity farany. Ho enti-manatsara ny fiainan’ny mponina ihany koa izany, ankoatra ny fandaharanasa iray ho an’ny fivezivezena eto Antananarivo Reni­vo­hitra, […]

Bas-Mangoky: 5,3 t isaky ny ha ny voka-bary

Mitombo ny voka-bary any amin’ny lemaka Bas-Mangoky, distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana, rehefa hita ny vokatra tamin’ ny janoary 2023 teo. Tsapa izany taorian’ny fanajariana natao avy amin’ny famatsiam-bola tamin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Ny asa natao teo anelanelan’ny 2013-2021 ho fanatsarana ny fambolena any amin’ny faritra. Fantatra […]

Harena an-kibon’ny tany : nanaovana atrikasa ho fiarovana amin’ny kolikoly

Nohamafisin’ny Transparency International –Initiative Madagascar (TI-MG) ny ady atao amin’ ny kolikoly ho fiarovana ny harena an-kibon’ny tany. Nanaovana atrikasa izany tao amin’ny Hôtel Centell Antanimena, ny faran’ny herinandro teo. Hatramin’ny taona 2020 ny Fikambanana Schmidt Family Foun­dation amin’ny alalan’ny Saving Lives I, II, III no miady amin’ny kolikoly ao […]

Minisitra Andriamanampisoa Soloniaina: «Misy alamina kely Ivolobe sy Sahofika»

Anisan’ny tetikasa goavana amin’ny lafiny famatsiana herinaratra ny Ivolobe sy ny Sahofika, samy iarahana amin’ny orinasa tsy miankina. Nilaza ny minisitry ny An­govo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, omaly, fa misy singa mbola alamina ao anatin’ny fifanarahana amin’ireo roa ireo iarahana amin’ireo orinasa tsy miankina ao anatiny. Isan’izany ny lafiny […]