Auteur/autrice : Adnews

Fitsaboana nentim-paharazana: gaboraraka Tanteraka !

Tandindonin-doza ny fahasalamam-bahoaka ! Maniry toy ny anana ny toeram-pitsaboana milaza ho nentim-paharazana. Sehatra iray hanjakan’ny gaboraraka. Mitazam-potsiny ny fanjakana ! Mirongatra izay tsy izy ireo mpitsabo milaza fa nentim-paharazana indrindra ny eto an-drenivohitra! Na tsy manana taratasy fahazoan-dalana ara-dalàna aza ny ankamaroan’izy ireny, na manana fa manita-kevitra manao zavatra hafa ivelan’ […]

Tselatra

Avotra soa aman-tsara ilay zaza varira nalaina an-keriny tao Vangaindrano herinandro vitsy lasa izay. Hita afakomaly, tao amin’ny fokontany Andriambe, kaominina Ambatolahy, distrikan’Ih­sy izy. Velon’aina ilay zaza raha notrohan’ireo tsy mataho-tody kosa ny ampahan’ny rany. Vokany, olona miisa dimy no voasambotra tamin’ity raharaha ity raha mbola karohina kosa ireo efatra […]

Mandritsara : lehilahy nisoloky dimy tapitrisa Ar voasambotra

Nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela, voasambotra ny faran’ny herinandro teo ny lehilahy iray avy any Soanieran’Ivongo, nisoloky vola mitentina 5 300 000 Ar tao Mandritsara. Mpiara-miasa ta­min’io lehilahy io ihany, ta­min’ny alalan’ny fividianana jirofo ity nambakainy ity. Nentiny nandositra anefa ny volabe. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nataon’ny […]

Fitsaram-bahoaka : mpangalatr’omby matin’ny fokonolona

Niharan’ny hatezeram-bahoaka rehefa nikasa hanohitra, maty ny jiolahy iray voatondro ho nangalatr’omby tao Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Antanambao, distri­kan’Antsirabe II, ny alahady teo. Nitrangana halatr’omby tao amin’io fokontany io. Tsy hita popoka ny omby iray ka nanao fanarahan-dia ny fokonolona. Lohan’omby sisa hi­tan’izy ireo. Tsy lavitra teo amin’io toerana io, nisava […]