Hotanterahana rahampitso ny lalao fihantsiana eo amin’ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa miaramila. Fihaonana izay tafiditra amin’ny lalao “Super coupe Mada”, taranja Rugby, izay atao eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka. Anisan’ ireo fihaonana efa nandrasan’ny olona rehetra izy ity. Manana endrika toy ny lalao famaranana kely izy ity, tsy mbola […]
Auteur/autrice : Adnews
Filoha Rajoelina Andry: “Mendrika ny zava-bitan’ny mpilalao basikety malagasy”
Taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Barea, ny herinandro lasa teo, nahazo ny anjarany ihany koa, omaly, ny Ankoay lahy sy vavy. Tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3 ny sokajy lehilahy, tompondaka lefitra kosa ny vehivavy, ny taona 2022. Efa nandrombaka ny medaly volamena ihany koa, teo amin’ity taranja basikety 3×3 […]
Minisitry ny fitsarana : nitsidika ny fonjaben’Ambalatavoahangy
Tao Toamasina no nanohizan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, ny fidinana ifotony ho fanomanana ny fanokafana ny fotoam-pitsarana 2023, afakomaly. Notsidihan’ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana tampony ny fonjaben’Ambalatavoahangy. Fankaherezana ireo voafonja, fanazavana ny fanalefahan-tsazy ary dinikasa niarahana tamin’ireo mpandraharahan’ny fonja ao an-toerana no natao. Ny tolakandro, […]
Etamazaoron’ny tafika: « Adidintsika ny fambolen-kazo »
Novolen’ny tafika avy eo anivon’ny Etamazaoro telo eo anivon’ny foloalindahy zana-kazo ny tany mirefy 2 Ha tao amin’ny fokontany Antsahamaro, kaominina Talata-Volonondry, distrikan’Antananarivo Avaradrano, omaly. “Adidintsika ny mamboly hazo”, hoy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, Jly Sahivelo Lala Monja, teny an-toerana. Anatin’ny fanantanterahana ny velirano fahafolon’ny filoham-pirenena, zana-kazo mitotaly 5 000 no […]
Tangalamena ao Andilamena: tsy manaiky ny hanesorana ny kaomandin’ny kaompania
Nilaza tsy hanaiky ny fanesorana ny kaomandin’ny kaompania ny zandarimariam-pirenena, ny fikambanan’ny Tangalamena ao Andilamena manoloana ny fihetsika ataon’ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana… Nivoaka tao anatin’ny fanambarana nataon’ireo raiamandreny Tangalamena ao amin’ny distrikan’ Andilamena ny tsy faneken’izy ireo ny hanesorana ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena. “Tao anatin’ny telo taona nifanesy, nisy ny […]




