Tontosaina ao Addis Abeba, Ethiopie, ny fivoriamben’ny firenena ao anatin’ny Vondrona Afrikanina. Ny 18 sy 19 Febroary 2023 no hanaovana ny fivoriana. Filoham-panjakana sy lehibena governemanta avy amin’ ny firenena mpikambana no ho avy hanatrika izany. Mandray anjara amin’izany ny firenena malagasy amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Hifandinika […]
Auteur/autrice : Adnews
Firaisamonina sivily : “Mila hatsangana ny filankevitra fampandrosoana CESC “
Efa taona maromaro no nikaondoha ny firaisamonina sivily ny amin’ny tokony hananganana amin’izay ny Filankevitra ara-toekarena sy sosialy ary ara-kolontsaina (CESC), araka ny And. 105 ao amin’ny lalàmpanorenana. Niaraka tamin’ny mpisehatra rehetra ry zareo tamin’izany. Eo ny ny avy amin’ny fanjakana, mpandraharaha, na sendikà… Nisy àry ny atrikasa teny Antaninarenina, […]
Fifindra-monina an-tanàn-dehibe: tokony hanana paikady ny mpitantana
Mirongatra ny fifindra-monina, indrindra ny an-tanàn-dehibe, ankehitriny. Antony maro no mahatonga izany. Manerantany izany tranga izany fa tsy ny eto Madagasikara ihany. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, ny fitsidihana ara-pombam-pifanajana ny tompon’andraikitry ny tananan’Antananarivo, nataon’ny talem-paritry ny OIM aty amin’ny faritra Atsimon’ny Afrika, Ashraf El-Nour. Ny anton’ny fifindramonina, ny […]
Hetsiky ny Fimpima: ho foana ny fiantsonana eo Analakely
Ho fanokafana ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan’ny fikambanan’ny mpikambary malagasy (Fimpima), hotanterahina eny Analakely sy ny manodidina. Nampahafantarin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny ho fanafoanana ny fiantsonan’ny taksibe rehetra manaraka ny araben’ny Fahaleovantena miainga eo amin’ny Miniso Life ka hatreny amin’ny Pizza mania anio. Manentana ny mpampiasa lalana hanaraka ny […]
Fahasalamana: mahaaro karazan’aretina 11 ny fahavitana ny vaksiny alohan’ny roa taona
Namerina nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fahavitan’ny vaksiny tokony hatao mialohan’ny faharoa taonany ny tompon’andraikitry ny vaksiny etsy Befelatanana. Mahavita miaro ny zaza amin’ny karazan’aretina 11 ny vaksiny ary tokony hovitaina mialohan’ny faha roa taonany. Anisan’izany ny aretin’ny raboka, koho-davareny, tetanosy, lefakozatra, kitrotro, difteria, pnemonia, aretin-tsofina… Mila averina anefa ireny […]




