Auteur/autrice : Adnews

Med’s event: miray hina ireo mpianatra ho mpitsabo

Naharitra 5 andro ny hetsika “Med’s event” nataon’ny mpianatra ho mpitsabo teny Ankatso. Nofaranana tamin’ny fampisehoana rindrankira ara-pilazantsara sy hetsika maro samihafa izany, omaly. Anisan’ny nampiavaka izany ny fanomezan-danja ny ko­lontsaina sy ny sosialy. Tan­jona ny fanamafisana sy fampisehoana amin’ny olon-drehetra fa miray hina ireo rehetra ao amin’ny fakiolite. Fo­toana […]

Toetr’andro: hahery vaika ilay rivodoza Freddy, mihatra ny filazana fanairana

Mihatra sahady amin’ny faritra maromaro ao atsinanan’ ny Nosy ny filazana fanairana miloko maitso hanomanana ny olona hiatrika ny rivodoza Freddy. Anisan’ny nahazo izany Analanjirofo, Ats­ina­nana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Hahery vaika ity rivodoza mananontanona ity raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hanomboka any amin’ny talata na […]

Razafimahefa Julien, neurologue interniste, CHU JRB Befelatanana: “Aretin’ny atidoha miseho amin’ny fiverimberenan’ny fanintona ny androbe”

Nanokana iray volana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka iadiana amin’ny aretina androbe nanomboka ny 13 febroary lasa teo. Mitondra fanazavana momba ny aretina androbe sy ny fomba fisehony ary ny fitsaboana ny dokotera neurologue interniste iray, neurologue miasa ao amin’ny sampam-pitsaboana neurologie ao amin’ny CHU JRB Befelatanana, Razafimahefa Julien. Gazety Taratra (*): […]

Fanabeazana : tokony hana­be ihany koa ny mozika

Tanterahina, anio, eny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny varavarana misokatra ho an’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny mozika. Fikambanana maro no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ity hetsika ity. Isan’izany ny Madajazzcar sy ny LMM ary ny FMMO (Fikambanan’ ny Mpitendry sy Mpankafy Orgue). Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampahafantatra bebe kokoa ny tontolon’ny mozika […]

“Amour’Rire 2”: hatsikana iarahana ny an-dry Fou Hehy sy Etsetra Etsetra

Tsy “Face à face” ny “Amour’Rire”. Saika hatsikana niaraha-niketrika no hatolotry ny tarika Fou Hehy sy ny tarika Etsetra Etsetra, mandritra ilay fampisehoana “Amour Rire” andiany faharoa. Hotontosaina rahampitso alahady, etsy amin’ny CC Esca Antanimena io, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. “Niara-niketrika ny seho nandritra ny andro maromaro […]