Rehefa mety ho sokajin-javakanto, hanentanana ireo mpanantalenta avokoa. Izay endrika fiarahana izay rahateo no lalantsaina voizin’ny “Festival Miaraka”… Hetsika hoan’ny forona maroloko, fanao isaky ny roa taona izy ity. Hotontosaina ny 3 hatramin’ ny 8 avrily ho avy izao ny andiany fahatelo amin’ny “Festival Miaraka”. Efa nanomboka ny fiantsoana ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
Boriborintany fahaenina: havaozina ny fotodrafitrasan’ny tsena rehetra
Nidina ifotony teny anivon’ny tsenan’Ambohimanarina ny ben’ny Tanàn’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Antony, mba hahafahany mijery sy mihaino ireo fitarainan’ny mponina sy ny mpivarotra eny an-toerana. Nandritry ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàn’Antananarivo fa tsy maintsy hohavaozina ny fotodrafitrasa rehetra eo anivon’ny tsena. Nohamafisiny fa asiana jiro manazava “eclairage pubic” […]
Sasa-miandry ny vahoaka
Dimy andro taorian’ny filazan’ny Filoham-pirenena fa hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay ny fitondrana izay tarihiny dia miandry ny vahoaka any ifotony. Nilaza ny handeha hitety faritra izy, ka handrasana ny tetiandro mahakasika izany. Efa mivoajamala ny tra-boina, izay sady noana no rava fananana. Manginy fotsiny ny fiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana, iarahana […]
Teo am-pijerena Barea: lehilahy voatafika, maty voatsatok’antsy
Maty voatsindron’antsy teo amin’ny fony ny lehilahy iray, omaly, tetsy Ambalavao Isotry. Nisy nanafika tao an-tsenany izy, nandritra ny lalaon’ny Barea sy ny liona avy any Sénégal. Lehilahy iray, 22 taona tompona tsena fivarotana kojakojam-bisikleta iray etsy Ambalavao Isotry no tra-doza, omaly vao mangirandratsy. Voatsatok’antsy noho ny hetraketrak’ireo jiolahy nanafika […]
Tselatra
Olona telo, avy amina ankohonana iray, naratra nilatsaham-potaka tao Volahotro, fokontany Ambalavao, Kaominina Morafeno, distrikan’Ambohimahasoa ny faran’ny volana janoary teo. Tao anatin’ny ora-mikija, nirefotra tampoka ny varatra. Niditra tao an-tokantranon’izy ireo. Vokany, naratra ny telo mianaka ka nentina namonjy hopitaly. Tsy nisy ahina ny ain’izy ireo.




