Auteur/autrice : Adnews

Fanondranan’olona antsokosoko: olona valo naiditra am-ponja

Ravan’ny zandarimariam-pirenena ao Nosy Be ireo andian’olona saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte. Mbola misy ireo karohina sy voasaringotra amin’ity raharaha ity. Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja avokoa ireo olona valo voasambotry ny zandarimaria tao Nosy Be raha saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte. Voasam­botra ny 14 janoary teo izy ireo […]

Fambolena ala FJKM 2023: zanakazo 10.000 fototra ho an’ny tany mirefy 5 ha

Nanatanteraka fambolen-kazo ny foibe FJKM ny asabotsy teo. Notanterahina teny Andanona Manjakandriana ny fanokafana izany taom-pambolen-kazo izany. Taona faharoa ity 2023 ity nanaovana izao asa izao. Zanakazo 10.000 fototra no novolena tamin’ny tany 5 ha. Ny MFEE-FJKM no niandraikitra ny lafiny teknika sy niantoka ireo zanakazo. Na­hitana karazan-kazo telo samy […]

Analamanga : hitohy ny orana miatoato

Mbola hitohy ao anatin’ny hateloana ny rotsak’orana miatoato sy ny andro manjombona eto Analamanga mandritra ny hateloana. Any amin’ny faritra Melaky ny sisan-drahona nentin’ilay rivodoza Cheneso mitarika ny rotsak’orana saika manerana ny Nosy ankoatra ny any Atsimo Andrefana, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mitoetra noho izany […]

CEPE sy BEPC : maimaimpoana ny fisoratana anarana

Tsy misy vola aloha intsony na ariary aza manomboka izao fa maimaimpoana ny fisoratana anarana ho an’ny mpiadina CEPE sy BEPC. Io ny fanapahan-kevitry ny fi­tondrana, taorian’ny fangatahan’ny fiombonan’ny sekoly tsy miakina manerana ny Nosy amin’ny tokony hijeren’ny fanjakana ny vola takin’ny foibem-panadinana. Tsy maintsy mitondra vakiraoka kosa ny mpiadina […]