Nanambara ny Mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny masoivoho amerikanina, Tobias Gluksman, nandritra ny lahateniny, omaly, fa “endrika fanandevozana moderina ny fanondranana olona an-tsokosoko no sady fanitsakitsahana ny zon’olombelona”. Notsipihiny fa vonona ny firenena amerikanina ny hiara-hiasa amin’ny governemanta malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny amin’ny fandraisana fepetra mifanaraka amin’izany. Voakasik’izany ireo olona, […]
Auteur/autrice : Adnews
Minisiteran’ny : fitsarana Henjanina ny sazy ho an’ny mpanao herisetra
Betsaka ireo mitaraina fa very an-javony ny fitoriana momba ny trangana herisetra rehefa tonga eny anivon’ny fitsarana. Nanazava ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Fitsarana fa henjana ny politika ampiharina momba ny ady atao amin’ny herisetra. Ao anatin’ny 16 andro hanaovana hetsika iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, […]
Instat- « Saps » : latsakemboka 1 miliara Ariary mahery tsy voaloa
Mandalo fahasahiranana ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa na ny Instat. Tsy voaefan’izy ireo ny trosan’ny Cnaps, mitentina 1 miliara sy 200 tapitrisa ariary. Anisan’ny noresahana io, nandritra ny fivoriambe izay nataon’ny sendikan’ny mpiasa rehetra eo amin’ny Instat (Saps), teny Anosy, omaly. Tsiahivina fa tsy voaloan’ny Instat ny latsakemboka Cnaps nanomboka […]
Fampandrosoana : hisitraka fampitaovana nomerika ny eny ifotony
Natao ny talata teo ny atrikasa ho amin’ny fampitaovana ny eny anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), mifandraika amin’ny “Digitalisation”. Nivoitra ny hijeren’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana (Mid) ireo fitaovana mifandraika sy ho azon’ny eny ifotony ampiasaina. Eo ny fampisana ny nomerika ho amin’ny fitantanana ny asam-panjakana sy ny ara-bola. Ny […]
Tetikasa OBS-Mada : tanora 10.000 nitondra fiovana
Antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny tsy fananan’ny tanora asa. Napetraka ny tetikasa OBS-Mada, mikendry ny tanora hanamafy ny fahaiza-mitarika, mba ho lasa mpivoy filaminana eny amin’ny fiarahamonina. Manohana ara-bola azy ny Tahirimbolan’ny firenena Mikambana hanamafisana orina ny fandriampahalemana (PBF), eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fanatanjahatena sy ny tanora, tantanan’ny Pnud […]




