Auteur/autrice : Adnews

Vatomandry : tratra ireo jiolahy namono mpanangom-bokatra

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Vato­man­dry, ny talata lasa teo, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ny renim-pianakaviana mpanangom-bokatra amin’iny tapany atsimon’i Vatomandry iny. Araka ny fanampim-panazavana voaray avy amin’ny kaomandin’ny borigadin’i Va­to­mandry, ny GPHC, Ram­be­lo­son Solo Jean Richard, vo­ka­try ny vela-pandrika nata­on’ny zandary no nahavoasambotra azy tao Ilaka […]

Sezan-dry Mompera: narian’ireo jiolahy teny Ambohijatovo

Hitan’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny bo­riborintany voalohany (CSP1) Analakely, ny 27 janoary 2023, teny amin’ny faritra Mandrosoa Ambo­hijatovo, ny seza plastika miisa 20. Nandritra ny fisafoana mahazatra fanaon’ny polisy eny amin’iny faritra iny no nahi­tan’izy ireo olona roa nitondra zavatra lavalava teo Man­dro­soa Ambohijatovo akaikin’ny fiangonana adventiste. Nave­lan’izy ireo […]