Mbola hitohy anio sy rahampitso ny rotsak’orana miatoato ho an’ny eto afovoan-tany fa ny alahady vao ho maina ny andro, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Momba ilay rivodoza Cheneso kosa, omaly maraina, tany amin’ny 157 km andrefana somary avaratra andrefan’i Morondava no nisy ny foibeny. 120 […]
Auteur/autrice : Adnews
Tatitry ny BNGRC… 16 ireo olona maty vokatry ny rivodoza
Niakatra ho 16 ireo olona maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny firenena. Mahatratra 16 ihany koa ireo tsy hita popoka nandritra izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny BNGRC, omaly. Mahatratra 55 421 ireo olona traboina manerana ny Nosy, vokatry ny fiakaran’ny rano sy ny fahapotehan’ny trano fonenana. 12 665 […]
Sekoly 800 nohadihadiana: 4% amin’ny mpianatra T4 no mahafehy ny kajy sy frantsay
Nisy ny fanadihadana natao momba ny fari-pahaizan’ny mpianatra sy ny mpanabe teny amin’ny sekolim-panjakana (EPP) 800 ny taona 2016 ka hatramin’ny 2021, teny anivon’ny kaominina 548 niarahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena. Nivoitra fa 4% amin’ny mpianatra kilasy T4 nanaovana fanadihadiana no nahamarina ny 80% amin’ny fanontaniana napetraka ho an’ny taranja kajy […]
Lemak’Antananarivo… Miakatra ny rano, mihatra loza manambana
Nanomboka omaly maraina, mihatra eto amin’ny lemak’Antananarivo ny filazana miloko mavo, indrindra ho an’ireo manamorona ny reniranon’i Sisaony. Miakatra tsikelikely ny rano vokatry ny rotsak’orana nisesy. Voakasiky ny filazana ny kaominina valo manodidina. Anisan’izany ny kaominin’i Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, […]
Mozika Rock… Hiray sehatra indray ry Kiaka sy Green
Fiarahana tsy sambany, saingy efa elaela no tsy nisy. Hiaraka an-tsehatra mandritra ny seho “Bonne année rock” indray ny tarika Kiaka sy ny tarika Green. Fampisehoana na dia haka endrika “cabaret” aza izy io, hotontosaina anio amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Espace Dera Tsiadana. “Fiarahan’ny mpirahalahy efa nifankahalala am-polo […]





