Nilaza ho nirahin’ny hanoanany, lehilahy iray mpanjaitra kiraro nangala-bilany ka voasambotry ny zandary tao Ambohimangakely, ny alatsinainy 23 janoary teo. Avy amin’ny fokontany iray tsy lavitra, nalain’io lehilahy io ny vilany lehibe niaraka tamin’ny fotsim-bary tao amina tokantrano anatin’ny fokontany Ambohimpiainana. Tsy vitan’io, mbola nangalarin’ity lehilahy nanao hala-boty ity koa […]
Auteur/autrice : Adnews
Herisetra amin-jaza… Lehilahy iray nidoboka am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy niatrika mpitsara mpanao famotorana ny lehilahy iray voatondro ho nanolana ankizivavikely. Tao Amboasary Atsimo no nitrangan’izy ity. Andro vitsy mialohan’io, tonga teny amin’ny biraon’ny polisy ny havan’ilay zaza 11 taona. Nitaraina fa naolana lehilahy 53 taona ny zanany ary mpiara-monina aminy ihany ilay voalaza […]
Ambohimalaza… Jiolahy miisa sivy nidoboka am-ponja
Manampy isa ireo andian-jiolahy naiditra am-ponja vonjimaika ireo olon-dratsy voasambotra teny Ambohimalaza sy ny manodidina ny herinandro teo. Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja avokoa ireo jiolahy voasambotra teny Ambohimalaza ny herinandro teo. Isan’izany ilay lehilahy voatondro ho nanolana ankizivavikely 12 taona. Ao koa ireo andian-jiolahy mpamaky trano eny amin’iny […]
Trafikana taolam-paty… Olona efatra voasambotra
Saron’ny polisy ao Mahanoro afak’omaly ireo efa-dahy voalaza fa saika hanondrana taolam-paty tao an-toerana. Nahazo fanampim-baovao mahakasika ity tranga ity ny mpitandro filaminana. Araka izany, napetraka ny paik’ady rehetra ka namafisina ny fisafoana ny fiara, ny lakana ary ny olona mivezivezy ao an-toerana. Vokany, nahatsikaritra lehilahy miisa efatra nilanja gony […]
Tsy mijanona ela any am-ponja… Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy tarihin’i Allh Kaidà
Ravan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsinanana, tarihin’ny Kly Ranaivoarison Théodule, ny tambajotran-jiolahy roa samihafa, ny alatsinainy sy talata teo. Fantatra fa jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Tanamakoa, Tanambao fahadimy, Salazamay ry zalahy ireto, tahirin’i Darilisy (Allh Kaidà). Anisan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana ilay teratany frantsay sy ny vady […]





