Manamafy ny tsy fisian’ny mpikarama an’ady rosianina « Wagner », ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jeneraly Rakotonirina Léon Richard, omaly. « Mila mailo hatrany anefa i Madagasikara », hoy izy. Nitondra fanazavana momba ny resaka mpikarama an’ady rosianina “Wagner ” ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, omaly […]
Auteur/autrice : Adnews
Samy tomponandraikitra
Raha ny fivoaran’ny toetr’andro ratsy, efa manambana antsika mianakavy ny loza maro isan-karazany, ateraky ny ora-mikija. Mbola tsy rivodoza akory aza omaly, efa dibo-drano ny tao Toamasina an-tampon-tanàna. Toraka izany ny any amin’ny faritra Sava, izay efa nakatona ny sekoly sasantsasany ho fisorohana ny voina mety hanjo ny ankizy. Samy […]
Kamiao voatafika : voarasa antsy ny mpamily sy ny mpanampy azy
Nanararaotra ny tsy fahatomombanan’ny kamiao lehibe iray nandalo teny amin’ny lalam-pirenena fahafito ny dahalo, teo amin’ny PK 268 + 50 m, tao Ambalamanakana, omaly maraina. Maty tampoka teny an-dalana ity fiarabe ity ka voatery nijanona nanala ny alina ny mpamily sy ny mpanampy azy. Tamin’ny 1 ora sy sasany maraina […]
Taksiborosy nivadika: vehivavy iray namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin’ny fokontany Ampikatroka-Ambatofolaka, kaominina Mahambo, omaly maraina tamin’ny 08 ora latsaka teo. Tra-doza tamin’izany ny fiara taksiborosy mampitohy an’i Toamasina saika hihazo an’i Soanierana Ivongo. Nandeha mafy ny fiara ka tafavoaka ny arabe nony tonga teo amin’ny tetezana Siritra, hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Vokany, […]
Ankazomiriotra : nidoboka am-ponja ilay tovolahy nanolana zaza 10 taona
Naiditra am-ponja vonjimaika ny tovolahy mpanampy tao an-trano nanolana ny zanaky ny mampiasa azy tao Ankazomiriotra, distrikan’i Betafo, afakomaly. Naharay fitarainana tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza ny eo anivon’ny zandary ka nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny alakamisy alina. Niharan’ny fanolanana ny zazavavy 10 taona, izay nohamarinin’ny mpitsabo taorian’ny fizahana izany. […]





