Auteur/autrice : Adnews

Fampiasana ny tetibolam-panjakana : Hahazoana tombony 5 andro ny fisian’ny birao tokana

Nampahafantarina omaly, ny fisian’ny Birao tokana (Guichet unique) hisahana ny fikarakarana ny fandaniana ny tetibolam-panjakana. Natao izany, entina hanafainganana ny fikarakarana ireo dingana maro samihafa tsy maintsy arahina. Tsiahivina fa natao ny herinandro lasa teo ny loabary an-dasy momba ny fandaniana ny tetibolam-panjakana 2026. Fantatra fa ny 44,2% ny tetibola […]

26 jona 1960 : Fifampiraharahana no nahazoana ny Fahaleovantena

Fifampiraharahana no na­hazoana ny Fahaleovante­nan’i Madagasikara, fa tsy ny fijoroan’ny Repoblika tamin’ny 14 oktobra 1958. Nisy ny fivoriana fahenina nataon’ny Filankevitra mpanatanteraky ny lafintany mpikambana ao amin’ny fiombonambe fran­tsay, tany Saint-Louis, Séné­gal, ny desambra 1959. Ta­min’izany, naneho ny heviny ny amin’ny fahaleovantenan’ ireo fanjakana mpikamban’ny fiombonambe frantsay ny jeneraly Charles […]

FANTINA sy FINTINA

Nitondra fanazavana momba ireo vondrona na vovonana, toy ny FFM sy ny VFM ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nambarany fa tsy manery olona hanohana ny tenany izy. « Izaho koa anefa tsy manakana ireo vonona hanohana ahy », hoy izy tany Brickaville, ny herinandro teo. Hentitra ny Praiminisitra, Rajaonarison Mami­tiana. « Aleo […]

Aza disoina ny tantara

  Mahoraka ny tanàna ao Sofia. Mankalaza ny fetin’ny Repoblika Ramalagasy. Tsy mbola nisy tahaka izao an­gamba hatrizay nilazana fa mahaleo tena i Madagasi­kara. Tsy fety toy ny fety rehetra moa fa mifanojo amin’ ny nandraisan’izy dimy lahy fahefana amin’izao fotoan’ny fanavaozana izao. Tena hoe andro manan-tantara tokoa raha ny […]

14 oktobra 1958 : Tsy mbola azo fa vao nangatahina ny Fahaleovantena

Tsy tokony hafangaro… Fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny 14 oktobra 1958, azo lazaina hoe fetim-pirenena noho ny maha firenena iray tsy mivaky amin’ny maha Repoblika azy. Niverenan’ny Fahaleovantena kosa ny 26 jona 1960 hoe fetin’ny Fahaleovantena. Tantaram-pirenena… Fetim-pirenena ny 14 ok­tobra 1958, nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasi­kara ho firenena iray tsy mi­vaky amin’ny […]