Tovolahy 25 taona nisotro ranom-panafody famonoana bibikely atao hoe « Ultracide », omaly hariva tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Niseho tao Anonoka, fokontany sy kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, ny tranga. Nentin’ny fokonolona tany amin’ny CSB2 Sadabe izy rehefa hitan’ny olona fa niha nalemy sy reraka. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany […]
Auteur/autrice : Adnews
Andravoahangy : Lehilahy 40 taona maty tampoka
Lehilahy iray, tokony ho 40 taona, maty tampoka tetsy amin’ny tsenan’Andravoahangy, omaly maraina. Mbola hitan’ny olona nandehandeha teny an-toerana izy talohan’ny fotoana nitrangan’ny loza. Naka aina sy nipetraka ary natoritory teo amin’ny sisin-dalana izy. “Vetivety teo, niantsambotra izy ary toa ireny olona miala aina ireny”, hoy ireo nanatri-maso teny an-toerana. […]
Nilalao teo amoron-drano : Zazalahikely efa-taona maty an-drano
Maty an-drano tany amin’ny fokontany Andriaka, Sadabe, ny zazalahikely vao efa-taona monja, ny 22 janoary hariva teo. Variana niasa teny an-tsaha ny ray aman-dreniny, nandeha nilalao rano ilay zaza. Zazalahikely iray, vao efa-taona, maty an-drano tany amin’ny fokontany Andriaka, kaominina Sadabe, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva tany ho […]




