Auteur/autrice : Adnews

Raharimalala Léa : Hamarana ny fankalazana ny 50 taona nanaovany volley

Hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny famaranana ny fankalazana ny jobily faha-50 taona niseharan-dRaharimalala LĂ©a Manary teo amin’ny taranja volley- ball. Ny 22, 23 ary 24 janoary izao ny fotoana nosafidian’ny filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny volley-ball hamaranana ny jobily fankalazana ny faha-50 taona nanaovany volley. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra […]

VAOVAO TAMBATRA

Tale jeneraly vaovao hitantana ny Fadin­tsera­nana malagasy, Randrianjafy Antoine. Mahafehy sy mahalala tsara ny lanjan’ny toekarena sy ny ladoany ny tenany. Tanjony ny hanamafisana ny fanavaozana ho maoderina kokoa ny fitantanana ny haban-tseranana, ny ady amin’ny hosoka sy ny trafika tsy ara-dalĂ na amin’ny fanondranana sy ny fanafarana entana, indrindra ny […]

Fampandrosoana ny toekarena : Mila henoina ny sehatra tsy miankina

Nifanakalo hevitra momba ny zava-misy sy nametraka ny vinan’ny toekarem-pirenena izay ahitana vesatra ara-ketra sy ny fitotongan’ny fitomboan’ny toekarena ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny sehatra tsy miankina, andro vitsy lasa. Mandalo fotoan-tsarotra sy manan-danja eo amin’ny tantaran’ny toekarena i Madagasikara amin’izao fotoana, na eo aza ny fitomboan’ny tahan’ny fanondra­nana, […]

Banky foiben’i Madagasikara: Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny FDS

Tontosa omaly, teny Antaninarenina, ny fanavaozam-piaraha-miasa eo amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) sy ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS): ahitana ny Tafika, zandary ary polisy. Nanatrika izany ny governoran’ny Banky foibe, Andrianarivelo Aivo, ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika (Cema), ny Jly Pikulas DĂ©mosthène, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (ComGN), ny Jly Mbina Mamelison […]

Ady amin’ny andiam-balala: Velaran-tany 600 000 ha harovana amin’ity taona ity

Natomboka ny 17 janoary teo, tany Toliara, ny hetsika hiadiana amin’ny andiam-balala ho an’ny taona 2025-2026. Faritra enina no hanaovana azy, hampiasana ny hetsika ana habakabaka sy an-tanety. Voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny paikady fanovana (PGE-R) eto amin’ ny firenena. Tafiditra anatin’ izany ny fahaleovantena sy ny fiarovana […]