Auteur/autrice : Adnews

Manasa-dalan’ny Can 2025 : Nigeria sy Maroc, Senegal sy Egypte

Fantatra ny faran’ny herinandro teo, ny anaran’ireo firenena efatra tafita any amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, Can 2025, izay tontosaina any Maroc. Fifanandrinana azo heverina ho mafy avokoa izy ireo. Hifandona amin’ny Lion de L’Atlas Maroc, mpampiatrano, ny Super Eagles Nigeria. Raha tsiahivina, resin’i […]

Karate-Fampivondronana : Navitrika ireo atleta tamin’ny fanombohana

Nifarana omaly, teny amin’ny EFTA Ambatobe, ny fampivondronana voalohany ho an’ireo mpikatroka Karate-do manerana ny Nosy, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. Atleta 90 no tonga namaly ny fiantsoana ary tena navitrika tokoa, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefi­nanahary Émile. Fifankaha­fantarana, firaisan-kina sy fifampizarana traikefa no tena niompanan’ity […]

Federasionin’ny handball : Lany ho filoha Ratsimandao Andriamanga

Manana filoha vaovao hitondra sy handrindra ny Federasiona Malagasin’ny taranja Handball, i Madagasikara. Voafidy tamin’izany, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa Andrianisainana. Nahazo mpitantana vaovao ! Lany ho filoha hitantana ny Federa­sionina malagasin’ny handball, mandritra ny efa-taona manaraka, Ratsimandao An­dria­manga Herilovasoa An­drianisainana na fantatrin’ny maro amin’ny hoe i Manga. Vato enina tamin’ireo ligy […]

INDRAY MIJERY

Nisitraka fotodrafitrasa vaovao momba ny rano fisotro madio ny oniversiten’Antananarivo, taorian’ ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo forage telo eny Ankatso I sy Ankatso II, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hanamora ny fiainan’ny mpianatra sy hanamafy ny fahasalamana eo anivon’ny toeram-ponenany. Eny Ankatso II no napetraka ireo forage […]