Auteur/autrice : Adnews

Tobim-pitsaboana Loterana Ambohibao : Nahazo fitaom-pitsaboana manara-penitra

Vaindohan-draharaha ny tobim-pitsaboana Lote­rana Ambohibao (TPLA) ny hanatsarana hatrany ny fi­tsaboana sy ny fanasitranana ny marary. Anke­hitriny, nahazo ny fitaovana vaovao “radiographie numérique et audiométrie” manara-penitra ny TPLA hanamafisana ny tolotra ata­ony. Marihina fa nandritra ny fankalazana ny faha-40 taona ny tobim-pitsaboana no efa nahazo efitrano vaovao fanaovana “échographie” ny […]

Aretina Mpox : Am-perinasa ny COUSP ao Vakinankaratra

Nahitana tranga nendran-drajako Mpox iray ao Vaki­nan­karatra, olona roa hafa koa ahina ho tratran’izany. Mana­mafy ny ezaka rehetra amin’ ny tsy hiparitahan’ity valana­retina ity ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo tomponandraikim-panjakana ao an-toerana sy ny fanjakana foibe. Nisy ny fivoriana natao ny fiandohan’ ny herinandro teo nametra­hana rafitra ho fisorohana ny […]

INDRAY MIJERY

Mampiakatra hery fiarovana hisorohana ny aretina samihafa ny fihinanana voankazo karazany maromaro isan’andro. Tena lafo anefa ny vidin’ny voankazo amin’izao fotoana izao eny an-tsena. 5 000 Ar ny paiso sy ny poara iray kilao, 4 000 Ar ny letisia, 5 000 Ar ny pastèque iray. Toy izany koa ny melon iray, araka­raka ny […]

Toetr’andro: Hapetraka ny fitaovam-pandrefesana

Tanterahina ny 6 ka hatramin’ny 11 janoary izao ny fitsirihana ifotony ny toerana hametrahana ireo fitaovam-pandrefesana ny toetry ny ranomasina sy ny toetry ny habaka. Voa­kasik’izany ny seranan-tsambon’i Mahajanga, Toliara ary Mananjary. Sambany izao vao hanana izany fahafahana mahazo ny antontan-kevitra mahakasika ny toetry ny ranomasina izany ny foibe famantarana […]

Eny amin’ny hopitaly : Tsy hikarakara ireo mararin’ny Mpox ny interne

Tsy manana fitaovana fiarovan-tena amin’ny valanaretina izahay. Mianto-tena raha ifindran’ilay aretina…Noho izany tsy handray ireo mararin’ny Mpox sy valanaretina rehetra izahay, hoy ny interne. Nanao fanambarana ny Union des internes de Madagascar miaraka amin’ireo interne manerana ny Nosy fa tsy handray an-tanana ny tranga voamarina sy ny tranga ahiahiana amin’ […]