Auteur/autrice : Adnews

Fanabeazam-pirenena 2026 : 9 000 ireo mpiasa horaisina ho mpiasam-panjakana

Velom-panantenana ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa hisy fandraisana ho mpiasam-panjakana miisa 9 000 amin’ny taona ho avy. Hojerena manokana koa ireo mpampianatra Fram. Nandritra ny fihaonan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta tamin’ireo solombavambahoaka, tetsy Tsimbazaza, no nilazan’ ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio, izay ni­solo tena […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra an-tsehatra anio, ny Malagasy mpibata fonjamby, raha ny fandaharam-potoana amin’ny lalao afrikanina ho an’ny Tanora, tontosaina any Luanda, Angola, nanomboka ny 10 desambra lasa teo. Tsiahivina fa solontena malagasy 3 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity lalao ity, ahitana ny taranja judo sy fibatana fonjamby. Notontosaina ny alahady teo, […]

Taranja échecs : Tompondaka lefitra ny Ridef i Harifidy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana ta­ranja échecs “Rencontre internationale des échecs Francophones) na ny Ridef 2025. Tsy diso anjara tamin’izany i Madagasikara, fa nanana solontena ary tsy nitsanga-menatra. Ny Maître international, Ralison Harifidy, no niaro ny voninahi-pirenena tamin’ity fifaninanana ity ary tena nahazo vokatra tsara, satria voahosotra ho […]

Tekken Madagascar : Tafiditra ao anaty «circuit mondial»

Miroborobo fatratra, ankehitriny, ny fanatanjahantena lalaovina amin’ny solosaina. Tsy mijanona ho fialamboly fotsiny anefa fa lasa fifaninanana iraisam-pirenena mihitsy. Anisan’izany ny Tekken Madagascar, izay efa tafiditra ao anatin’ireo dingana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Nampahafantarina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Yas Madagas­car Andraharo, ny Tekken Madagascar. Fikambanana ivondronan’ireo mpilalao […]