Auteur/autrice : Adnews

Fandraisana antoko eny Iavoloha: mitondra vahaolana, mizara vina mazava

Nandray ny antoko politika teny Iavoloha, ny Kly Randrianirina Michaël, hatramin’ny omaly. Samy mitondra vahaolana sy mizara vina mazava izy ireo. Anisan’ny nipoitra Ratsirahonana Norbert sy ny antoko Avi, tarihin’ny Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra. Manao ranolava ny fandraisan’ny filohan’ny fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny an­toko sy ny hery politika lehibe […]

TSELATRA

Nidina ifotony nanara-maso ireo toeram-pisotroana eny Ambohipo, boriboritany faharoa, ny polisim-pirenena, afakomaly. Anton’io hetsika io ny fampanarahan-dalàna sy fisorohana tsy fandriampahalemana. Olona iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teo anelanelan’i Vatolatsaka sy Andra­no­vory, Toliara, omaly. Nipitika tampoka ny karan- dalana nitondra ireo mpandeha ka nitarika ny loza. Mitohy hatrany […]

Harom-paosy : Enim-bavy naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny vehivavy mpangarom-paosy miisa enina tratra tao Analavory. Nanararaotra andron’ny tsena, ny roa vavy ka nanao ny asa ratsiny. Nanao fanamiana si­vily, nanara-maso teny amin’ ny manodidina ny tsena ny mpitandro filaminana ka nahatsikaritra ny fihetsik’ireo olon-dratsy miisa roa ireo. Tsy afa-nandà satria […]

Sambava : Nokorontanin’ilay vehivavy ny fasana

Indroa saron’ny fokonolona nanakorontana ny lamba namonosana ireo razana milevina tao anatin’ny fasana, tao Ambahavala, kaominina Sambava, ny vehivavy iray. Nosa­voritahiny avokoa ny razana rehetra tao anatin’ny fasana maromaro ao an-toerana. Niparitaka nanerana ny tokotanim-pasana ireo lamba sasany namonosan’ny fianakaviany ireo olona efa namoy ny ainy milevina amin’io toerana io. […]

Notafihana dimy lahy : Ben’ny Tanàna lefitra maty voatifitra sy voaroba

Vonoan’olona tsotr’izao no nahafaty ny ben’ny Tanàna lefitra tao Benenitra, omaly maraina. Notifirin’ny olon-dratsy izy ka nahazo ny tratrany ny bala. Dimy lahy nitondra fitaovam-piadiana niditra an-keriny tao amin’ny tokatranon’ny lefitry ny ben’ny Tanàna miasa ao amin’ny kaominina Benenitra, faritra Atsimo Andrefana, omaly. Nopitsohan’ny jiolahy tamin’ny alalan’ny famaky ny varava­rana, […]