Auteur/autrice : Adnews

Baolina Kitra-« Grand Match de Défi »: Amboara lehibe ho an’ny ekipa mpandresy

Efa manomboka mahoraka sy malaza ao Toamasina sy anaty tambajotran-tserasera ny lalao baolina kitra “Grand match de défi”, hotanterahina ao amin’ny Kianja Barikadimy, ny 28 desambra ho avy izao. Fi­haonana hifanandrinan’ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany sy ny Barea Chan amin’ny ekipan’ny Disciples FC Va­kinankaratra. Nilaza ny mpi­ka­rakara, Patricio, fa hisy […]

Judo-“Coupe de Mada” : Fifaninanana hamara­nana ny taona 2025

Hotanterahina ny 27 sy 28 desambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Judo. Io no fifaninanana hamaranana ny taona ho an’ny Federasionina malagasin’ny Judo. Araka ny fandaharam-potoana, hotanterahina ny zoma 26 desambra ny fivoriana ara-teknika ka hitohy avy hatrany amin’ny antsapaka ho an’ny […]

Tsipy kanetibe : Lasan’i Zigle ny « La main d’or 2025»

Nentin’i Zigle nitety an’izao tontolo izao indray ny anaran’i Madagasikara. Norombahiny ny «La main d’or 2025», mpilalao mendrika indrindra maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Izy no Malagasy voalohany nandrombaka izany. Nanakoako maneran-tany indray ny lazan’ny tsipy kanetibe malagasy, ny alatsinainy alina teo. Norombahin-dRakotondraibe Jean François Daniel (Zigle), ny “La […]

FANTINA sy FINTINA

Tafaverina ho depiote ireo minisitra telo teo aloha, fony fitondrana Rajoelina. Anisan’izany Sahon­drarimalala Marie Michelle, minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mara Donna Volamiranty, minisitra teo aloha nisahana ny Serasera sy ny kolontsaina ary Razafinjato Aurelie, minisitra teo aloha nisahana ny Mponina. Navoakan’ny HCC, omaly, ny didy momba izany. Hentitra ny minisitra Fanirisoa […]

Depiote Ralambozafimbololona Fetra: « Hafaingano ny fifidianana sefo fokontany »

Naneho ny heviny manoloana ny fitantanana eny ifotony ny depiote Ralambozafim­bololona Fetra, voafidy tetsy amin’ny boriborintany fahadimy. Nambarany fa efa tafapetraka sy ara-dalàna ny Prefet vaovao. Eo koa ireo sefo distrika rehetra manerana ny Nosy, ka tokony handray andraikitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. « Ta­kinay ny hanatanterahana ka hanafainganana ny […]