Anisan’ireo nifampiresaka tamin’ny delegasionin’ny Vondrona afrikanina (UA), notarihin’i Mohamed Idriss Farah sy i Domitien Ndayizeye, ireo mpomba sy mpanara-dia ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, tetsy Ivandry, ny alahady teo. Nambaran’izy ireo fa tsy mangina na mitazam-potsiny ny avy amin’ny ankolafy Rajoelina manoloana ny raharaham-pirenena. Mandray anjara hatrany mitady vahaolana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanovana… ifankahazoana
Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vahoaka no hoe tompon’ny fahefana, tompon’ny teny farany. Izy ihany koa no antom-pisian’ny mpitondra. Ho an’ny vahoaka izay ataon’ny mpitondra. Tokony hisy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro mandavantaona izany. Ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Lanja miakatra! Araka izany, mahalala izay mahazo […]
SMGD- Naina Andriantsitohaina: « Tsy misy idiran’ny vadiny », hoy ny Me Andrianarivoson Nicole
Mbola tazomin’ny Bianco, eny Ambohibao, ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. « Tsy misy idirany ny raharahan’ny SMDG sy ny kaominina. Mampieritreritra ny fitazomana azy », hoy ny mpisolovava, Me Andrianarivoson Nicole. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny Antanimena, omaly, ny Mpisolovava ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Notsiahiviny ny tranga […]
Sendikà Triade: Nivaly sahady ny fitakiana
Taorian’ny fihaonambe nataon’ny sendikàn’ny Triade (dokotera, paramedy, mpandraharaha), ny faran’ny herinandro teo, no nahafantarana fa efa nivaly ny ampahany amin’ny fitakiana ataon’izy ireo. Efa hiakatra 14% ny karaman’ny mpiasan’ny fahasalamana. Nahazo ny tambiny ho an’ny hofan-trano 200 000 Ar ihany koa izy ireo. Ankoatra izay, ny tambiny amin’ny risika eo […]
Fomba fandrindram-piterahana: Mety tsy haharaka ny filàna
Mampitaintaina ny maro ny mety tsy hisian’ireo fitaovana fandrindram-piterahana eny amin’ny tobim-pahasalamana… Mandalo krizy mihitsy izany noho ny fialan’ireo mpamatsy vola. Natao tany Bogota, renivohitr’i Colombie, tamin’iny herinandro iny, ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fahasalamana ara-pananahana (ICFP 2025) andiany fahafito. Mampivarahontsana ny mpizaika ny fahitana […]




