Tsy navela nandalo fotsiny. Nisy ny lanonana izay naka endrika fampisehoana goavana, nentina nanamarihana ny faha-15 taona nisian’ny Orange Money teto Madagasikara. Notontosaina ny alin’ny zoma teo izany, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpanakanto nosafidiana tanatin’ny maro, be mpankafy sy araka izay nandrasan’ireo mpampiasa ny Orange Money, no nifandimby niaka-tsehatra. […]
Auteur/autrice : Adnews
« Manala azy »- Olombelo Ricky: Efa fihaonamben’ny mpankafy
Tontosa soa aman-tsara. Nantsoina ka nanohina ireo mpankafy. Mitoetra ho kolontsaina ny « Manala azy ». Tsy foana fa nahemotra ny seho. Tsy nampihemotra ireo mpankafy ny « Manala azy » izany, ka vory lanona indray ny rehetra ny tolakandron’ny sabotsy teo, tetsy Antsahamanitra. Mety nisy avy nanala fanadinana ve tao ? Tsy fantatra. Ny […]
Zo sy fananahana ara-pahasalamana : Nanao antso ny tanora manana fahasembanana
Nifarana ny volana jolay lasa teo ny fakan-kevitra nasionaly, natomboka ny volana febroary lasa teo, tany Antsirabe, izay nataon’ireo tanora manana fahasembanana momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana. Nisongadina fa misy olana ny fisitrahan’ireo sokajin’olona ireo momba ity zo ity ka manao antso ho an’ireo firaisamonim-pirenena sy ny fitondram-panjakana […]
Fanilon’i Madagasikara: Ankizivavy 50 marisika amin’ny sehatry ny siansa
Ao anatin’ny sahanasa ataon’ny Yess Girl izay manao fifanakalozana eo amin’ny Fanilon’i Madagasikara ny Stem na ny Science, Technology, Engineering, Mathematics. Tanjona ny fampirisihana ny ankizivavy hisehatra bebe kokoa amin’ny siansa sy fikarohana manome lanja vokatra ara-tsiansa. Samy nanomana tetikasa mivaingana ireo ankizivavy teo anivon’ny Fanilon’i Madagasikara. Misy ny nanao […]
Fondation Axian : Tohanana hahaleo tena ara-tsakafo ny Akany Mamitiana
Noho ny ezaka misongadina ataon’ny foibe fitaizana zaza kamboty sy sahirana na ny Akany Mamitiana eny Ambohimangakely dia nanao tolo-tanana ny Fondation Axian. Nanome kubota na milina enti-miasa amin’ny famokaram-bary ho an’ny Akany Mamitiana eny Ambohimangakely ny Fondationa Axian. Tanjona ny hahafahan’ny akany mahaleo tena ara-tsakafo ary tsy hiankin-doha intsony […]




