Auteur/autrice : Adnews

Atletisma – Mada 2026: Norombahan’ireo atleta an’Atsimo Andrefana ny volamena

Nifarana omaly, teo amin’ny Kianjan’Alarobia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja atletisma, sokajy tanora. Nanjakan’ireo atleta avy ao amin’ny ligin’Atsimo Andrefana tanteraka ny fifanintsanana nasionaly ary izy ireo no nitana ny laharana voalohany, rehefa nandrombaka medaly miisa 41 volamena, 18, volafotsy 8 ary alimo 15. Nihonona amin’ny laharana faharoa […]

Kitra – Olana fifindrana mpilalao: Miandry fifampiresahana ny FC Rouge

Niresaka mahakasika ny raharahan’ilay mpilalao nifindra mangina tatsy Seychelles, ny ekipan’ny FC Rouge, tompon’ny amboara farany teo, ny sabotsy lasa teo, tetsy Alarobia. Tsy nahazo taratasy fahazoan-dalana tamin’izy ireo ity mpilalaony ity, ka mbola miantso fifampiresehana anatin’ny fotoana voafetra ry zareo. Raha tsy misy izany, hijery ny lalàna mifanaraka amin’izany […]

Tsipy kanetibe – «Mondial Junior 2026»: Tompondaka maneran-tany ho an’olon-droa i Madagasikara

Norombahin’i Madagasikara fanindroany ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe olon-droa miaraka lahy sy vavy “junior”. Resin’izy ireo tao amin’ny kianja filalaovany i Espagne. Naharitra 95 mn ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Mbola voatazon’i Mada­gasikara ny anaram-boninahitra ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, olon-droa miaraka lahy sy vavy, sokajy […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsara ny vokatry ny jono nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona. Nahazo fankatoavana tsenambarom-panjakana miisa efatra, famokarana hazandrano 55 583 taonina (t) ary fanondranana 5 891 t. Nahatratra 16,85 miliara Ar ihany koa ny vola nampidirina tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Zana-trondro maherin’ny 1,15 tapitrisa no nozaraina ary mpisehatra 13 726 no nahazo […]

Tsenam-baro-panjakana: Aloa tsy ho ela ny trosan’ireo mpandraharaha

Nanome toky ny handoa ny trosan’ireo « prestataires » sy orinasa tsy miankina niasa tamin’ny fanjakana ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitan­tanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo. Nivoitra izany nandritra ny jeritodika isaky ny enim-bolana ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana, ny zoma teo, teny amin’ny CCI Ivato. « Eo am-panaovana fanadihadiana ireo antontan-taratasy sy fanamarinana […]