Mitohy ny fidinana an-dalambe ataon’ny tanora. Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, omaly. Milaza ny hihetsika koa manomboka izao ny mpanohana ny fitondrana. Niafara tamin’ny fipoahan’ny lakrimozenina hatrany ny hetsika fitakiana nataon’ireo mpitolona eo anivon’ny Gen Z sy ireo mpiasam-panjakana, omaly. Maherin’ny 8 ireo naratra ka ankizy roa voa mafy. Renim-pianakaviana iray […]
Auteur/autrice : Adnews
Des Idées en Goguette – 1 octobre 2025
Mampangorintsina ny mpankafy : Mitendry angorodao sy vatamaroafitsoka i Jean Piso
Manan-talenta manokana amin’ny fitendrena angorodao sy fiantsana ny gadon-kira tsapiky i Rebily Jean na i Jean Piso. Avy any Andranokototo, Betioky, faritra Atsimo Andrefana ny fiaviany. Anisan’ny namorona ny feonkira mitondra ny lohateny hoe: « Andranokototo » izy. Ampiasain’ny onjampeo maro ho feon-kira hanombohana fandaharana. Efa mpanakanto avokoa ny ankamaroan’ny fianakaviany, raha […]
Maka Alphonse : “Tsy midika seza ny fifampiresahana”
”Tsy midika hoe rehefa mifampiresaka dia mizara seza. Tsy izay no izy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse. Raha misy ny finiavana: aoka re mba tsy hisy intsony ny korontana fa tsy ahitam-bokatsoa. Na inona tetikasa tsara amin’ny fampandrosoana ka mikorontana […]
Fikasihan-tanana… : Tsy faly amin’ny Emmo/Reg ny mpanao gazety
Naneho ny alahelony sy ny hatezerany ireo mpanao gazety teny an-kianja, omaly. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo «Fanompana sy fakana an-keriny telefaonina ary felaka tehamaina. Mbola niampy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso inefatra. Nihatra tamin’ny mpanao gazety ireo», hoy ny solontenan’ny mpanao gazety, nitatitra ny […]




