Auteur/autrice : Adnews

Volana oktobra : Tsy niova ny vidin-tsolika

Sambany! Tokony hiova isam-bolana ny vidin-tsolika eto amintsika, satria manaraka ny fiovaovany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Efa nampiharina nanomboka ny volana janoary 2025 izany. Mandeha ho azy ny fanovana, saingy tsy mihoatra na latsaky ny 200 Ar, araka ny fifanarahana tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny fanjakana malagasy. Tsy niova […]

Hevitra ampiadiana… hilaminana

  Saika fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana, indrindra rehefa misy ny fanahiana izany na efa mby amin’izany ny toe-draharaha misy sy iainana. Toy izao… Fomba fiteny ihany izany, fa tena misy ny mikendry sy mahita ary mahazo tombontsoa manokana amin’ny korontana. Very tombontsoa amin’ny fisiana […]

TSELATRA

Mitohy ny fampiharana manerana ny boriborintany enina, eto an-dRenivohitra, ny hamehana manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Hisorohana ireo mpanararaotra eny anivon’ny fiaraha-monina sy hitandrovana ny filaminan’ny tanàna izany. Dahalo mpangalatr’omby lavon’ny zandary tao Antanetilava, fokontany Igagarana, kaominina Miarina­rivo, afakomaly. Nentin’ireo olon-dratsy […]

Befandriana Avaratra: Olona valo maty tototry ny tany

Mpitrandraka fasimainty miisa valo niara-namoy ny ainy tototry ny tany tao Marivoragna Angarongana, distrikan’i Befandriana Avaratra, afakomaly. Olona am-polony niara-niasa tao amin’io toeram-pitrandrahana io. Niharan-doza tampoka anefa izy ireo. Nihotsaka ny tany tamin’ny lavaka fitrandrahan’izy ireo harena an-kibon’ny tany. Nianjera avy hatrany tamin’ny toerana nisy ireo mpiasa ny tany. Olona […]