Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Ho hatsaraina ny fomba fandoavana ny faktioran’ny Jirama amin’ny finday, Mobile Money. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny Jirama, ny Orange Money, ny Airtel Money, ny MVola ary ny Vaomiera mpanadihady parlemantera, hanatsarana ny fomba fiasa amin’ity fandoavam-bola amin’ny finday ity. Maro loatra mantsy ny fitarainan’ny mpanjifa, milaza fa efa voaloa […]

Banky Foiben’i Madagasikara: Hametraka toeram-panangonana volamena

Miisa efatra ireo toeram-panangonana volamena ha­tsangan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) tsy ho ela, dia ny ao Ambilobe, Mae­vatanàna, Mananjary ary Miandrivazo. Ireto farany izay faritra anisan’ny be volamena eto Madagasikara. Tanjona ny hampitomboana ny tahirim-bolamena sy hanamafisana ny fanaraha-maso ny sehatra. Kendren’ny BFM ny hampiditra ireo mpitrandraka madinika ho eo […]

Pôle Entrepreneuriat : Tohana ho an’ny tanora manana tetikasa

Hotanterahina ny 29 aogositra, eny amin’ny Unipod Tsimbazaza, ny Pôle entrepreneuriat 2026, hetsika natokana ho an’ireo tanora sy manana hevitra ka mikasa ny hamadika izany ho lasa tetikasa azo tanterahina. Karakarain’ny Maison de l’entrepreneuriat, hampivondrona ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny hetsika. Hisy tranoheva fampahafantarana, lohahevitra ho voaboasana, atrikasa, “Coa­ching” […]

Fambolena orge : Niakatra ny hetra « droit d’accise » amin’ny labiera

Akora fototra amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera ny zavamaniry orge. Nihena ny fambolena satria niakatra ny hetra « droit d’accise » alaina aminy. Mangataka ny tokony hijerena manokana ny olana sedrain’izy ireo, ireo mpamboly orge any amin’ ny faritra Amoron’i Mania. Anisan’izany Randriana­nte­naina Solondraibe Jean, mpam­boly orge any Ambato­finandrahana, faritra Amoron’i Mania. Nohazavainy […]

TSELATRA

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tetsy Ilafy, ampitan’ny Somacou, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any. Lehilahy iray mpiasa ao amin’io orinasa io no maty voadonan’ny fiara karetsaka iray teny an-toerana. Nandeha mafy ny fiara, naratra mafy noho ny dona nahazo azy ilay rangahy ka nitarika azy […]