Auteur/autrice : Adnews

ONG Fami : Notohanan’ny minisiteran’ny Mponina

Ankizy manana fahasembanana eo amin’ny rantsam-ba­tana ambany no raisin’ny ONG Fami an-tanana sy tsaboina maimaimpoana, hatramin’ny fandidiana, raha ilaina, ao amin’ny CRMM Antsirabe. Hatramin’ny taona 1996, ankizy manodidina ny 400 no efa nahazo fitsaboana ka maro no efa sitrana tanteraka. Ho fanohanana azy, nanolotra tohana ara-tsakafo, kojakoja ilaina andavanandro ary […]

Latsakemboka eny amin’ny EPP : 45 000 Ar hatramin’ny 65 000 Ar isaky ny ray aman-dreny

Ireo mpandraharaha no misantatra ny fanomanana ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao, ho an’ny fampianarana ambaratonga voalohany sy faharoa fototra, omaly. Nanomboka nandray ny asany, omaly, ny mpandraharaha eny amin’ny sekolim-panjakana hikarakara ny fidirana amin’ny taom-pianarana 2026-2027. Miroso amin’ny fanomanana ny tomponandraikitra amin’izany ka tafiditra ao ny fandraisana ireo hisoratra anarana. […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fampitam-baovao azo, handeha hanatevin-daharana an’i Zigle sy i Yves any amin’ny klioba Decines France, i Tianakely. Eo am-piandrasana ny taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny ligy sy ny FSBM ny tovolahy, ankehitriny. Tsy mbola fantatra kosa ny faharetan’ny taona hilalaovany any. Mitohy ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahajanga ny fiadiana ny […]

Conquête d’Anosiala Trail (CAT) : Fanatanjahantena sy fandraisana andraikitra

Hotanterahina ny sabotsy 5 septambra ho avy izao ny andiany voalohany amin’ny Conquête d’Anosiala Trail (CAT). Hetsika karakarain’ny Association conquête et trail sy ny klioba 3FB atletisma eo anivon’ny minisiteran’ny Fa­hasalamam-bahoaka. Eny Anosiala no hanatontosana izany. Mizara telo ny lalana hifaninanana dia ny CAT dé­couverte, mirefy 5 km, ho an’ireo […]

Kitra – “Match de Charité” : Nifaninana ireo mpilalao fahiny

Tsy fanatanjahantena fotsiny ny baolina kitra fa sehatra ahafahana mifanampy! Tahaka izany hita tatsy Seychelles, ny faran’ny herinandro teo, rehefa nanaiky ny hanao lalao ara- pirahalahiana hanaovana asa soa ny Malagasy mpilalao baolina kitra teo aloha, monina any La Digue sy Praslin. Nifanandrina tamin’ireo mpilalao seyseloa fahiny izy ireo. Nandresy […]