Auteur/autrice : Adnews

Vono olona tao Toamasina : Voasambotra ny naman’ilay hita faty

Niaiky heloka ho anisan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana ny namany tao Toama­sina ny lehilahy iray 19 taona, nandritra ny famotorana na­taon’ny mpitandro filaminana azy. Olona telo no niaraka nanatontosa io vonoan’olona io ka karohina ny roa, araka ny fanazavan’ny zandary mi­asa eo anivon’ny sampandraraha misahana ny fikarohana heloka bevava izay […]

Voahitsaky ny kamiao: Mpianatra iray namoy ny ainy

Voadonan’ny posy, nianjera teo ambonin’ny bisikleta nentiny ka notsenain’ny kamiao ny tovovavy iray mpianatra eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, ny alatsinainy 24 aogositra teo. Nirava avy nianatra, hamonjy fodiana, ity vehivavy taona fahatelo manaraka ny sampam-piofanana lalàna eo anivon’ny anjerimanontolo ity. Nifandona tampoka tamin’ny posy izy ka nianjera teo amin’ny arabe. […]

Antohomadinika : Raim-pianakaviana iray maty voatsin­drona antsy

Notafihin’ny jiolahy misaron-tava ny tokantrano iray etsy amin’ny fokontany Lalamby, Antohomadinika, ny alin’ ny alatsinainy, tokony ho tamin’ny 9 ora. Maty voatsindron’antsy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray 41 taona, tompon-trano. Nitondra antsy iray sy basy kilalao nahitana vovoka sakay ilay olon-dratsy tamin’ny fotoana na­naovany ny asa ratsiny. Efa niomana […]

Graines d’Avenir de Nosy Be: Nahazo boky an-jatony ny EPP Madirokely

Himasoana ny fampitiavana ny vakiboky ho an’ireo zaza any Nosy Be. Nampiana ireo boky fianarana sy fialana voly ao amin’ny EPP Madirokely, izay miandraikitra ny fanabeazana ankizy maro. Tsy vao voalohany. Mito­hy hatrany ny fanohanana ny ankizy mpianatra ataon’ny fikambanana Grai­nes d’avenir de Nosy Be, amin’ny alalan’ny filohany, Amida Sanna. […]

Cisco Mitsinjo : Nijery ny fiantraikan’i Fytia ny minisitra

Nijery mivantana ny zava-misy sy ny fiantraikan’ny fandalovan’ny rivodoza Fytia teo amin’ireo fotodrafitrasa sy sekoly voakasika tao amin’ny Cisco Mitsinjo, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Raja­ona­rison Sendra Nirina, ny faran’ny herinandro teo. Teny amin’ny EPP Antongomena Bevary, Ambodimanga,CEG namakia ary EPP mitsinjo no nolalovany. Nanolotra fanitso 50 isa ho an’ny sekoly […]