Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina etsy amin’ny Acsa Ambohidahy, manomboka anio hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy, sokajy rehetra. Atleta maherin’ny 200 eo no hifanintsana eny an-toerana, tafiditra anatin’ireo hanaovana fifantenana ny handrafitra ny ekipam-pirenena izay mendrika amin’izany. Navoakan’ny pejin’ny Al Merrikh Soudan, afakomaly, tao amin’ny […]

Kitra – Divizionina faharoa : Hifanintsana any Mahajanga ny solontenan’Analamanga

Hatao ny 5 hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­dagasikara, divizionina fa­haroa nasionaly (D2 Nasiona­ly). Ahitana ekipa 24 ny mpifaninana ary nozaraina vondrona enina, misy ekipa efatra avy, izy ireo. Any amin’ny faritr’i Mahajanga, sokajy A, ny solontenan’ny ligin’Analaman­ga, Disciples FC Espoir, […]

Karate-Afrika 2026 : Miantso fanohanana ny federasionina

Anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Alger, ny 7 hatramin’ny 13 septambra izao, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja karate. Ma­vesatra ny hoenti-manana amin’izany satria mpikatroka 18 no vonona handray anjara. Izany indrindra no hanaovan’ny Federasionin’ny karate-do malagasy antso, miaraka amin’ny fikambanan’ny ray aman-dreny sy ireo atleta, amin’ny hanohanana azy ireo. […]

Tsipy kanetibe – «Tirs de précision»: Hiatrika ny manasa-dalana i Madagasikara

Hiditra amin’ny tsontsorimamba isarahana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy “junior”, lahy sy vavy, anio. Anisan’ireo hiatrika ny manasa-dalana eo amin’ny “tirs de précision” ny Malagasy ka hifanandrina amin’i Thaïlande. Mitohy hatrany ny vokatra ho an’ny ekipa malagasy sokajy “junior”, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka […]

VAOVAO TAMBATRA

Seha-pihariana manana ny lanjany amin’ny fampivoarana ny toekarena ny Sakarivo. Maro ny tan­tsaha mivelona amin’ity vokatra ity ao Beforona. Antony mahatonga ny fanjakana manohana ireo mpisehatra amin’ny Sakarivo biolojika. Nisy ny fampiofanana nomena ireo mpamboly hanatsana ny tany sy ny masomboly hampivoarana ny seha-pihariany ho an’ny tombontsoan’ny toekarena. Hisitraka Valan’ny […]