Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny oniversite. Tanjona ny hampahafantatra ny mpianatra ny momba ny loza ateraka ny valanaretina Mpox sy ny hanome ny vaksiny maimaimpoana ahafahan’izy ireo miatrika am-pilaminana ny fianarany. Ny toeram-ponenan’ny mpianatra no toerana mora […]
Auteur/autrice : Adnews
Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina : Nampisongadinana ny maha zava-dehibe ny « accord de Maputo »
Nomarihina omaly, teny Antaninarenina-Antananarivo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina. Nosafidian’ny firaisamonim-pirenena FGE coalition SDSR, hiresahina indray momba ny tolona ho an’ny zon’ny vehivavy, ny asa efa vita sy ny zavatra mbola takina ny fanamarihana. Nomena lanja manokana ny adisisika amin’ny tokony hankatoavan’ny fanjakana ny fifanarahana tany Maputo momba […]
TARATRY ny KANTO
Nikatona ny « Iray volan’ny hosodoko ». Samy nahitana hetsika ireo faritra maro manerana ny Nosy, nanehoana ny sanganasan’ny mpanakanto mpiangaly izany. Nifarana, omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely, ny fankalazana tamin’ity taona ity. Hisy ny fiaraha-miasa bebe kokoa eo amin’ny Akademiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac, ho fanamafisana […]
« Kanto mifameno » : Seho iarahan’ny tarika Johary sy i Poopy
«Fitia voarara». Fampiaraham-peon’i Poopy sy ny tarika Johary, nivoaka tany amin’ny taona 1992 io. Angamba anisan’ireo fampiaraham-peo naharitra indrindra tamin’ny laza, satria mbola mitoetra hatramin’izao izany. Efa ela toy izany koa ny fiarahana, saingy tsy nisy matetika ny hoe Poopy sy ny tarika Johary irery an-tsehatra. Nofinofy ho tanteraka ny […]
Fanabeazana sy kolontsaina: Hanokatra foibe iray ny Zanabaliha
Fikarohana maro momba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy maro no efa voaangon’ireo raiamandreny teo aloha… Taona 1995, nanohy ny fanangonana sy nivelatra tamin’ny fampianarana azy ireny izy ireo niaraka tamina tanora vitsivitsy. Fijoroana ho ara-dalàna, nisalotra ny anarana Zanabaliha ireto mpikaroka sy mpampianatra ireto. Taona 2026, fanamby lehibe no […]




