Auteur/autrice : Adnews

Pnud -Medd : Mitondra fampandrosoana ny ranomasina madio

Natomboka tany Toliara, tamin’ny fomba ofisialy, ny tetikasa «Ranomasina madio sy salama». Mitentina 11 626 605 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (GEF), tohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Manatan­teraka azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Tanjona ny hanatsarana […]

Fiarovana ny mpanjifa: Vary 629 gony nogiazana

Hentitra ny ekipan’ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRCC) Analamanga taorian’ny fitarainana voarainy mahakasika ireo vary simba naverina tao anaty gony ka nozairina. Nidina teny Ankadindravola avy hatrany ireo mpanara-maso avy ao amin’ny minisitera MinCC rehefa nahita vaovao niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy momba ny zava-nisy. Nitohy tamin’ny fakana singa […]

Jeritodiky ny isaky ny enim-bolana: Miantso ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra ny Praiminisitra

Naverin’ny fanjakana ny tombana isaky ny enim-bolana amin’ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana mba hanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa sy hamahana ireo sakana. Kendrena ny hanamafisana ny fanaraha-maso ny asa mba hahazoana vokatra mivaingana ho an’ny fampandrosoana. Miantso ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra samihafa ny Praimi­nisitra, Rajaonarison Mami­tiana, mba hiasa amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana, hiady […]

INDRAY MIJERY

Manao tombana momba ny fampisakafoana an-tsekoly ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny avy amin’ny Fanda­haranasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), tamin’ity herinandro ity, haharitra hefarana. Efa nisy atrikasa isam-paritra nahafahan’ireo tomponandraikitra eny anivon’ny Cisco nanao ny tombana rehetra amin’ny fampandehanana ny fandaharana. Mandritra ny tombana koa no […]

Fandraisana mpampianatra vaovao : Hahazo toerana ny mpianatry ny ENS sy ny ENF

Nisy fihaonana tamin’ireo fikambanan’ny mpianatra na­havita fianarana tao amin’ny Ecole normale superieur (ENS) sy ny minisitry ny Fanabe­azam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, tamin’ity herinandro ity. Taorian’ny fangatahana vahaolana nataon’ny mpianatra momba ny fandraisana mpampianatra ka nanomezany 48 ora ho an’ny minisitera mpiahy izany. Nizotra tsara ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny roa tonta […]