Hitana ny sain’ny besinimaro amin’ity faran’ny herinandro ity ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby “Top 8 Mada”. Hiady izany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa (Bebaoty). Ekipa tsy resy mihitsy hatreto amin’ity dingana ity. Tsontsori-mamba isarahana izany ny an’ny roa tonta. Hotanterahina etsy amin’ ny Kianja Makis Andohatapenaka, […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Nosokafana tamin’ity herinandro ity ny « Salon de l’étudiant » andiany fahatelo, ho an’ny faritanin’ Antananarivo, karakarain’ny ivontoeram-pikarohana momba ny Torohay sy fahalalana siantifika ary tekinika (CIDST). Tanjona ny hanampy ny ray aman-dreny sy ny tanora amin’ny fanomanana ny hoaviny. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny […]
BNGRC-ACF: Horaisina an-tanana ireo tsy ampy sakafo
Nanatanteraka atrikasa momba ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny asa antoka mialoha (AA) sy ny fitohizan’ny fikarakarana ny olona tratran’ny tsy fahampian-tsakafo mafy (Pecmas) raha misy loza tampoka ny BNGRC sy ny ACF. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo rafitra voakasika amin’ny fanatanterahana ny asa fisorohana mialoha ny tranga tsy fanjarian-tsakafo sy […]
Fikambanana Mitia Soa: Mpianatra 1 000 nizarana fitaovam-pianarana
Nahatsiaro manokana ireo ankizy hanomana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eny amin’ny CEG sy EPP ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ny fikambanana Mitia Soa izay tarihan’ny filohany, Andrianasolo Nofinirina Tinasoa (Datina). Novatsiana fitaovam-pianarana feno sy ampy ho an’ny taom-pianarana mba hampirisihana azy ireo hanao ezaka mafy ho afaka amin’izany […]
Apipa: Hodiovina tsy tapaka ny farihin’Anosy
Nampahatsiahy sy namoaka fampahafantarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny Apipa. Nasongadin’izy ireo tamin’izany ny momba ny farihin’Anosy. Voatsiahy amin’izany fa mirefy 8 ka hatramin’ny 10 hektara io farihy io. Toerana manan-tantara, eo amin’ny lafiny kolontsaina ary koa ny teknika eo afovoan’ Antananarivo. […]




