Nitondra fanazavana momba ny tetikasa Haratonaina ny tomponandraikitra ao amin’ny Fid. Vaindohan-draharahan’ny tetikasa ny hanala ny olona anaty kizofaran’ny fahantrana. Manampy ny olona hiomana amin’ny fisondrotana amin’ny fiainana. Manome fitaovana ny olona hiavotana amin’ny alalan’ny tohana ara-bola, fanofanana ara-pihariana… Ireo tokantrano tena marefo no misitraka ny tetikasa. Vatsin’ankohonana sy Asa […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampandrosoana eny ifotony: Mametraka vina ho an’ny 15 taona ny MFFT
Efa mijery lavitra kokoa ny fampandrosoana eny ifotony ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Ambanja, faritra Diana. Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny kaominina Ambanja, ny atrikasa fanombohana amin’ny fomba ofisialy ho amin’ny fitohizan’ny famolavolana sy fanamboarana ny drafitra fampandrosoana […]
INDRAY MIJERY
Mahavoasazy ny fanotofana tany tsy nahazoana alalana. Izany no mahatonga ny kamiao maro voageja any amin’ny valam-pamonjana. Misy ny toerana izay tsy azo totofana mihitsy na lova izany na fananana manokana. Misy indray ny toerana afaka totofana saingy misy fepetra arahina mahakasika izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Volavolaina mandritra ny […]
LTP Alarobia : Nampiseho ny zava-bitany ny mpianatra
Tontosa tao amin’ny LTP Alarobia ny varavarana misokatra andiany faharoa natokana ho an’ny fiofanana momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Vokatry ny fiofanana nifandimby, afaka nampiseho mivantana ny zava-bitany ireo mpianatra. Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, izay […]
Toamasina : Vonona ny fotodrafitrasa handray ny SPSM
Mihatrana ny tanànan’i Toamasina handray ny fihaonamben’ny fikambanan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara (SPSM) manomboka ny 29 hatramin’ny 31 aogositra izao. Iray tsy mivaky ny mpiasan’ny fahasalamana itambaran’ny dokotera, paramédicaux sy mpandraharaha mampihodina ny tobim-pahasalamana, hoy ny tompon’andraikitra Andriambololoniaina Fidinirina Désire. Efa vonona ny fotodrafitrasa handraisana ny hetsika rehetra. Vonona ny […]




