Auteur/autrice : Adnews

Conseil international des infirmières : Mpikambana faha-141 ny Conim Madagasikara

Niditra ho mpikambana faha-141 eo anivon’ny Filan­ke­vitra iraisam-pirenen’ny in­firmier (Conseil international des infirmières- CII) ny filankevitry ny holafitra nasionalin’ny infirmier eto Madagasikara (Conim). Fanambarana ofi­sialy nataon’ny CII io, tamin’ny alalan’ny filohany, José Luis Cobos Serrano. Ivondronan’ ny fikambanana infirmier lahy sy vavy maneran-tany ny CII. Izy ireo izay manana tarigetra […]

Faritra Boeny: Velom-panantenana ny vehivavy

Mitohy any amin’ny faritra Boeny ny fanohanana ny fikambanam-behivavy izay tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Nomena tantsoroka ara-bola mitentina 23 800 000 Ar ireo fikambanam-behivavy miisa 12 naneho fahavononana hanangana tetikasa mitondra amin’ny fizakan-tena ara-pivelomana. Mifototra amin’ny asa tanana, toy ny zaitra sy rary, ny fahai­zana mahandro ary fanodinana voankazo ny tetikasa […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora : Niresahana momba ny fandraharahana sy ny fahasalamana

Handray anjara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny tanora (CIJ) faha-12 any New York ny delegasionina malagasy miaraka amin’ny minisitra mpiahy sy ny solontenan’ny faritany enina. «Ny 24 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao izy ireo no hanatrika izany fivoriana lehibe izany », hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, […]

“Chan 2025”: Mila mandresy ny Barea

Ho fantatra anio ny ho tohin’ny lalan’ny Barea de Mada­gas­car, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Chan 2025”. Lalao natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, tanterahina atsy Tanzanie. Hifan­dona amin’i Centrafrique ny Barea, anio folakandro, eo amin’ ny andro fahatelo ho an’ny sokajy “B”. Fihaonana hatao […]

“Afrobasket 2025”: Hifandona voalohany amin’ny Ankoay i Nizeria

Nanomboka omaly, any Angola, ny fiadiana ny tompon­dakan’i Afrika “Afrobasket 2025”, sokajy lehilahy. Anio no hiakatra an-kianja ny Mala­gasy. Hi­fan­dona voalohany amin’ny An­koay, lehilahy, ny ekipan’i Nizeria, ao anatin’ny fifaninanana sokajy Seniors, araka ny fandaharan-dalao. Ny ekipan’i Kameronina kosa ny miandry azy ireo amin’ny zoma 15 aogositra ary ny ekipan’i […]