Tambajotran-jiolahy mpandroba fiara mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa ravan’ny zandarimaria miasa ao Moramanga, omaly. Nalain’ny olon-dratsy ny entana nentin’ny kamiao iray niala avy ao Toamasina nikasa hihazo an’Antananarivo, ny alin’ny 11 hifoha ny 12 aogositra teo. Very tamin’izany ny entana sarobidy tao anatin’ny fiara, teo anelanelan’i Moramanga sy Ampasimpotsy […]
Auteur/autrice : Adnews
“Raharaha Ambohimalaza” : Horaisina an-tanana ny havan’ny maty
Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, omaly, ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”. Nihaino ny fitarainana sy ny fangatahan’izy ireo ny filoha tamin’izany. Nambaran’ireto fianakaviana nanana ny niharam-boina ireto nanoloana ny filohan’ny Repoblika ny hetahetan’izy ireo, ankoatra ny raharaham-pitsarana sy ny fitsaboana. Misy amin’izy ireo namela ny fitadiavany noho ny […]
Des idées en goguette 13 Août 2025
Fotoam-pialantsasatra 2025: Omena endrika vaovao handraisana mpizahatany i Toamasina
Ao anatin’ny vanim-potoana fialantsasatra tanteraka isika izao. Maro ny fitsidihana ataon’ireo mpizahatany, vahiny sy avy eto amin’ ny firenena, amin’ izao fotoana izao. Efa nivonona amin’i zany ny tomponandraikitra isan-tokony, solontenam-panjakana any amin’ny renivohitra ara-toekaren’ i Madagasikara. «Omena endrika vaovao handraisana vahiny mpiala sasatra sy mpizahatany ny renivohitr’ i Toamasina, […]
VAOVAO TAMBATRA
Nahazo fitaovana avo lenta fanaraha-maso ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Ecofish », tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny COI. Anisan’izany ny angovo azo avy amin’ny masoandro mahaleo tena, hampandehanana ny fanaraha-maso avy amin’ny zanabolana (VMS) ho an’ny sambo mpitsirika Telonify. Mahery vaika indray ny delestazy amin’ny […]




