Nisy afo nirehitra tao anatin’ny Faritra Arovana Menabe Antimena (Apma), ny alatsinainy 4 aogositra 2025 teo. Toerana miisa efatra no voakasiky ny afo, ny any Anketrevo, Mandrotra, Tsarataona ary Kibo. Araka ny tatitra azo, sarotra ny nifehezana ny afo satria tsy nisy ny lalana nahafahana namonjy ny toerana nisy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Morafenobe : Mivelona amin’ny jono an-tanety ny mponina
Lavitra sady saro-dalana ny any Ankilandilana, 70 km miala ny distrika Morafenobe, faritra Melaky. Na izany aza, miezaka manakaiky ny vahoaka eny ifotony ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga (MPEB), entina hampiroboroboana ny sehatry ny jono. Tonga tany an-toerana ny minisitra Mahantante Paubert sy ny mpiara-miasa, ny herinandro lasa […]
Fanondranan’entana mankany Etazonia: Nihatra nanomboka ny 7 aogositra ny haba 15%
Tsy tataovana ilay haba vaovao 15% fanampiny, napetrak’i Etazonia, ny harena an-kibon’ny tany, ny fitaovam-pianarana sy ny sosialy. Anisan’ny iharany kosa ny lavanila. Nanome fanazavana misimisy kokoa ho an’ny Fadintseranana malagasy, mahakasika ilay haba vaovao, tataovana 15%, ny rafitra amerikana Customs and Border Protection (CBP). Ampiharina ho fanampin’ireo haba efa […]
ONG Destiny Rescue: Nitsidika ny kaomisaria Antsiranana
Tonga nitsidika ny kaomisaria foibe Antsiranana ny tale jeneralin’ny ONG Destiny Rescue ny alakamisy 7 aogoditra teo. « Vonona ny hiara-hiasa amin’ny Polisim-pirenena ny fikambanana mba hampahomby ny ady amin’ny herisetra ara-nofo ary indrindra ny famarinana olombelona atao amin’ny ankizy », hoy ny tale jeneralin’ny ONG, Joseph Iskandar. Mandray an-tanana ireo ankizy […]
Tolokevitry ny Ceni: Hatao amin’ny novambra ny fifidianana loholona
Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa efa nandefa ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ireo ho loholona eny anivon’ny governemanta izy ireo. Tokony hotontosaina ny volana novambra ho avy izao izany, araka ny tolokevitr’izy ireo. “Miandry ny fanapahan-kevitry ny rafitra mpanatanteraka momba izany izahay”, hoy ny mpampakan-tenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika ny faran’ny […]




