Auteur/autrice : Adnews

Zo sy fahasalamana ara-pananahana : Atrikasa maro iarahan’ny Nifin’Akanga sy ny mpisehatra

Nanatanteraka fandaharanasa maromaro ny fikambanana Nifin’Akanga tamin’ity volana ity Namaranana izany, oma­ly, teny amin’ny onive­rsi­ten’Antana­narivo, ny « procès fictif ». Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny zo hampitsahatra ny vohoka amin’ny fomba azo antoka. Tanora mpianatra valo ao amin’ny Fakiolten’ny lalàna sy ny siansa politika (oniver­siten’­Anta­nanarivo) sy amin’ny Unive­rsité catholique […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana ny zoma lasa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny seminera ho an’ny mpanazatra mpiandry tsatoby, taranja baolina kitra, sokajy tanora. Herinandro ny faharetan’izany ka nisian’ny fifanakalozana sy traikefa hanamafisana ny toeran’ny mpiandry tsatoby. Niala sasatra ireo klioba miatrika ny fifaninanam-pirenena, taranja basikety N1A lahy sy vavy, omaly. Mitohy […]

Fifanintsanana Can 2027: Hitady isa 3 amin’i Tanzanie ny Barea, anio

“Adin’ny samy resy”! Hifandona ao amin’ny Stade d’Honneur de Meknès, kianja atsy Maroc, anio, ny Barean’i Madagasikara sy ny Les Taifas Stars Tanzanie. Lalao tafiditra amin’ny andro faharoa, fifanintsanana Can 2027 ho an’ny vondrona “L”. Ma­rihina fa samy resy ireto ekipa roa ireto teo amin’ny andro voalohany. Raha tsiahivina, lavon’i […]

Volley-ball – Mada D1: Resin’i Farafangana ny Zandary

Niditra tamin’ny andro fahatelo, omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasiakara, taranja volley-ball, sokajy D1 lahy sy vavy. Fihaonana tanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Anisan’ny vokatra nisongadina teo amin’ny sokajy lehilahy ny nandresen’ny CVBF Farafangana ny Pôle GN, tamin’ny seta 3 no ho 1 (18/25; 25/20 ; 25/22 ; 25/19). […]

Rugby lalaovina olona 7 : Hanala vela amin’i Kenya ny Makis Madagasikara

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’olona 7, ny Makis Madagasikara amin’ity. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Challenger Series 2027” izy ireo. Iray vondrona amin’i Kenya sy i Namibie i Madagasikara amin’ity. Hotanterahina atsy Mau­rice ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na “Africa Men’s Sevens Series”, […]