Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka amin’ny alakamisy 21 mey 2026 ho avy izao ny fandraisana ny fangatahana vaovao momba ny Fanomezan-dalana manokana fari-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany na «Autorisation exclusive de réservation de périmètres» (AERP) sy ny Fahazoan-dalana vaovao. Nanomboka omaly ny fampahafantarana sy tantsoroka, manerana ny biraom-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny BCMM […]

Vokatra fanondrana : Tsena vaovao ny mankany Chine

Zava-dehibe ny fikarohana tsena vaovao ho an’ireo vokatra fanondrantsika toy ny lavanila, kafe, voanjo ary hena. Nivoitra izany nandritra ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana sy ny masoivohon’i Chine, miasa eto Madagasikara, Ji Ping. Voaresaka ihany koa ny fampitomboana ny fanondranana amin’ny vokatry ny fambolena […]

Fambolena : Hanondrana voanjo any Chine i Madagasikara

Harahina ny fenitra nasionaly sinoa ara-pahasalamana sy fahadiovana, ny GB 2761, amin’ny fanondranana vokatra ara-tsakafo any ivelany. Hanondrana voanjo any Chine i Madagasikara, hanomezana tombontsoa ny mpamboly. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA) sy ny masoivohon’i Chine. Mifan­toka amin’ny fanondranana voanjo, karazana […]

FANTINA sy FINTINA

Nohamafisin’ny filohan’ny FFKM, Mgr Ranarivelo, fa tsy fikaonandoha akory ilay hotanterahin’izy ireo manomboka ny 18 hatramin’ny 21 mey izao. «Fanomanana no ataon’ny fiangonana amin’izao fotoana io», hoy izy. Notsiahiviny fa tsy nandray anjara tamin’ireo fikaonandoha rehetra natao ny FFKM na efa nomena ny “mandat” aza. Firenena laika i Madagasikara ka […]