Auteur/autrice : Adnews

FER 2025: Manan-karena am­ba­nin’ny tany i Toliara

Nandray anjara tamin’ny velakevitra nandritra ny Fihao­nam­bem-paritra ara-toekarena (FER), andiany faharoa, natao tany Toliara, ny 17 sy 18 jolay teo, ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS). Lohahevitra noraisina ny « Atsimo Andre­fana, tany manan-karena an-kibon’ny tany ». Nisolo tena ny minisitera, ny talen’ny Kabinetra, Rakotomalala Tahiry Andria­miarintsoa, nanazava ny fampahafantarana ireo fanavaozana […]

Nohavaozina ny lalàna: Afaka misitraka ny tsena karbôna ny rehetra

Nivoaka ny lalàna vaovao mifehy ny tsena karbôna, araka ny didim-panjakana lah.2025-626. Voakasik’izany ny fitantanana sy ny fivarotana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Milaza ity lalàna vaovao ity, fa « manan-jo handray anjara amin’ny fampihenana ny fiparitahan’ny entona karbôna ny olona na orinasa an’ny fanjakana na tsy miankina eto an-toerana na vahiny. […]

Filana andavanandro : Tafakatra 5 000 Ar ny kilaon’ny lafarinina

Mandalo fahasahiranana ny entana ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro. Niaka-bidy ny lafarinina sy ny sira. Anisan’ireo entana eny am-pivarotana tena betsaka mampiasa, indrindra ho an’ireo olona tia ma­handro sy manendy, ny lafarinina. Tsy mitombina tsara ny vidin’izy io, araka ny fanadihadiana natao teny amin’ireo tsena eny Isotry, omaly. Misy amin’izy […]

TARATRY ny KANTO

Hiray sehatra indray ny tarika Kiaka sy ny tarika Green. Manome fotoana ireo mpankafy ny « cabaret rock » izy ireo ny sabotsy 26 jolay izao, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, eny amin’ny Nomban­tsoa, By-Pass. Fiarahana efa ela no nisy ny an’ny tarika roa tonta, izay efa samy zokiny ao […]