Nahemotra amin’ny 14 hatramin’ny 20 jolay izao, ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Jamborées Minibasket ». Hetsika karakarain’ny kaomisionin’ny Minibasket eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Natokana ho an’ny katitakely tia sy milalao basikety izy ity. Efa nifarana ny 2 jolay lasa teo ny fisoratana anarana, raha toa ka ny 13 jolay […]
Auteur/autrice : Adnews
Rugby: Efa misokatra ny fifindrana klioba
Nambaran’ny federasionina Malagasy Rugby tao amin’ny pejy, tambajotra seraserany, ny fiandohan’ny herinandro teo, fa efa nisokatra nanomboka ny talata 1 jolay, ny vanim-potoana fifindran-toerana ho an’ireo mpilalao baolina lavalava eto Madagasikara. Haharitra hatramin’ny 29 aogositra izao ny faharetan’izany. Nomarihin’ny tomponandraikitra fa tsy misy fandraisana izany intsony raha dila io fe-potoana […]
Mama FC sy ny Elgeco Plus: Nasehon’ny filohan’ny FMF fa mampihavana ny baolina kitra
Manoloana ny resaka mandeha amin’izao fotoana, nanao fampihavanana sy nampanjaka ny resaka « Fair-play », teo amin’ny Mama FC sy ny Elgeco Plus, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Ny fihavanana maha Malagasy ary ny « Fair Play » ny an’ny baolina kitra! Ireo teny ireo, azo hilazana ny zava-nisy teny Ambohidahy, afakomaly. Fotoana […]
Orange Madagascar sy ny Samsung : Miara-miasa ho fanohanana ny lafiny niomerika
Notontosaina ny 1 jolay teo, tao amin’ny Orange Digital Center, ny fanaovana sonia fanamafisana fiaraha-miasa stratejika vaovao, eo amin’ny Orange Madagascar sy ny Samsung. Natao nandritra ny hetsika “Let’s Lead the Future” izany. Tanjona ny hanohanana ny fanovana niomerika ataon’ireo orinasa malagasy amin’ny alalan’ny fitaovana sy teknolojia vaovao, azo antoka […]
Fanjifana : Tsenaben’ny fromazy
Hatao etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny 10, 11 ary ny 12 jolay ho avy izao, ny « Tsenaben’ny Fromazy aty afovoan-tany », andiany faharoa. Mikarakara izany ny M’Anja Event. Nilaza ny mpamorona, Rajaofera Anjaratiana, fa entina hanasongadinana ny fromazy vita malagasy, novokarin’ny Malagasy mpamokatra madinika ny hetsika. Hisy ny fihenam-bidy, ny fisotroan-dronono maimaimpoana […]




