Auteur/autrice : Adnews

Faharetana sy fiaretana

Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piai­nana, fahatapatapahan-jiro sy rano… Mila fiaretana sy faharetana ny famahana olana? Mba indray mandeha tsy miverina, azo antoka, mahomby, maharitra… Miandry sy manantena ny vahoaka. Tsy inona, ohatra, izay fiaretana fa fahoriana, raha tsy mitera-bokatra ho amin’ny fiai­nana… lanja miakatra. Mandra-pahoviana? Tsy misy olana tsy azo vahana. […]

Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin: “Andraikitsika ny fampandriana fahalemana”

Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miantso ny olom-pirenena rehetra aho fa ny fam­pandriana fahalemana sy ny filaminana dia andraikitsika rehetra. Isika no tokony hifa­nome tanana sy miara-mandray andraikitra amin’ny fampandriana fahalemana sy fitandroana filaminana. Isika no miara-monina eto amin’ity Nosy ity. Aleo isika handrindra ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy”. Io ny nambaran’ […]

Fifampiraharahana Nosy malagasy: ny minisitry ny Raharaham-bahiny no hitarika ny delegasiona any Paris

Ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, no hitarika ny delegasiona malagasy. Amin’ny fanohi­zana ny fifampidinihana momba ny Nosy malagasy hataon’ny vaomiera iombonana frantsay sy malagasy any Paris, Frantsa, io, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, afakomaly. Handrafitra ny delega­siona malagasy ny mi­nisitry ny Jono sy ny toe­karena manga, i Maha­tante Tsimanaoraty […]

Mpirahalahy nifamaly: notapahan’ny zandriny ny lohan-jokiny

Tonga nitolo-batana tao amin’ny biraon’ny Zandary Antsiranana, omaly tamin’ny 11 ora sy sasany maraina, ny lehilahy iray (16 taona). Tompon’antoka tamin’ny famonoana nahafaty ny rahalahiny (24 taona) tany amin’ny fokontany Ambohimitsinjo, kaominina Diego-Suarez, Antsiranana ny alin’ ny 25 jona lasa teo. Niara-nisotrosotro tany amin’ny trano fisotroana iray tany Befotaka Avaratra […]