Auteur/autrice : Adnews

Ady amin’ny fampiasana ankizy : Tokony hampiakarina ny sorabola ho an’ny fiahiana sosialy

Hitazonana ny vokatra efa azo tamin’ny ezaka hampihenana ny isan’ny ankizy miasa maneran-tany, manao antso amin’ny fanjakana ny OIT sy ny Unicef. Ny hampiakarana ny sorabola atokana ho an’ny fiahiana sosialy ho an’ny fianakaviana sahirana manan-janaka tokony hianatra ny fitakian’izy ireo. Efa nihena amin’ny antsasany ny isan’ny ankizy miasa ny […]

Krizin’ny adolantsento: Mila fanabeazana am-pahendrena sy am-pitiavana nefa manaja fitsipika

Tena sarotra ny fitaizana tanora amin’izao fotoana. Maro ireo ray aman-dreny velon-taraina fa tsy mahafehy ny zanany na valivalian’ny zanany ao anatin’ny taonan’ny fahatanorana. Mitondra fanazavana sy toromarika Rakotonjafiniarivo Zo, matihanina amin’ny fanabeazana ny adolantsento sy ny fanohanana ny vehivavy donam-pahoriana. Maro ny antony mahatonga ny tanora ho be famaliana. […]

Fanabeazana sy kolontsaina: Tokony hanana angon-tahiry ny isan-tokantrano

Saika manana olana avokoa ny ankamaroan’ireo toerana natao hitahirizana sy mirakitra ny tantara, kolon­tsaina, taratasim-panjakana fahiny, tahirin-tsary fahizay, sns, eto Madagasikara, raha ny fantatra nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny arsiva. Ani­san’ny vahaolana hoenti-miatrika ireo ny tokony hananan’ ny isan-tokantrano ny tahiriny manokana (milaza ny momba ny tetiharana, […]

TARATRY ny KANTO

« Ilo sy Tsiky », antsan-tononkalo hotonto­saina ao amin’ny kolejy SFX Ambatomena Fiana­ran­tsoa, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hizara ny sanganasany mandritra izany i Hasi-Noro, poeta mpikambana amin’ny Faribolana Sandratra Fianarantsoa. Havoaka mandritra izany ihany koa ny boky mirakitra ireo asa sorany. Aorian’izay, hotontosaina anio ny dingana famaranana an’ilay fifaninanana tononkalo […]