Auteur/autrice : Adnews

Hazo ravinala : Tsy misaraka amin’ny fiainana andavanandron’ny Betsimisaraka

Anisan’ny karazan-kazo iray tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny foko Betsimisaraka ny ranivala. Ampia­saina hamonosana entana sy ny maro hafa izy io. Karazan-kazo hany tokana afaka misolo tena ny firenena malagasy any ivelany ny ravinala. Izy irery ihany no mitondra marika maha Malagasy amin’ny fampiasana azy, izay hitantsika amin’ny fiaramanidina. Tsy vitsy […]

Kaominina ambonivohitra Toamasina : Hanatanteraka ny fanamby ny ben’ny Tanàna

Tsy hihemotra amin’izay efa tapaka sy fanamby nataony tamin’ny vahoaka ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina, ny mpahay lalàna Alain Andriafa­nomezantsoa, sy ny ekipany. Tato ho ato, nasehony tamin’ny fandraisany andraikitra ny fitazonana ny teny nataony. Tsy maintsy sokafana ny lalampasika rehetra izay tsy tafiditry ny fiaraben’ny mpamonjy voina mba hitsinjovana […]

Analakely : Mpitondra moto voasambotra

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpitondra moto iray niteraka fitohanana teo Analakely, boriborintany voalohany, omaly tolakandro. Voakasiky ny fiara iray io lehilahy nitondra moto io. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny voakasika sy ny mpamily ny fiara. Nentin-katezerana, novelesin’ilay mpitondra moto tamin’ny aroloha teny aminy ny fitaratry ny fiara. Vaky ilay fitaratra. […]

Fidinana ifotony MFFT: Hofanina ireo mpitantana ny biraon’ny fananan-tany

Mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana ny fitantanana ny zo hanana tany eto Madagasikara, iarahana amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nidina ifotony ireo mpiasan’ny minisitera amin’izany. Hifarana anio, rehefa nanomboka afakomaly, ny fanofanana ny ekipan’ny fitaleavan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany eo anivon’ny MFFT any Maevata­nàna sy Mahajanga […]

INDRAY MIJERY

Ho an’ny kaominina Ampahitrosy, efa namaritra sorabola ao anatin’ny tetibolany ny mpitantana ny kaominina ahafahana manatsara ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ho an’ny vaksiny. Manana mponina 11 000 ny kaominina, mitsinjara amin’ny fokontany dimy. 3 000 eo ho eo ny ankizy latsaky ny 15 taona. 97% amin’ny zaza teraka no mahazo vaksiny, […]