Auteur/autrice : Adnews

Festival Madagascar : hampahafantarana ny haikanto sy ny haisoratra

Tanterahina ny 3 sy 4 mey 2024, ao amin’ny Centre Vic­toire Tinayre, Paris-France, ny «Festival Madagascar: Cultu­re et Solidarité ». Hetsika ka­rakarain’ireo fikambanan’ny Malagasy misehatra eo amin’ny haikanto sy haisoratra monina any ampitan-dranomasina. Fijerena horonantsary, tafa sy dinika, atrikasa ary fampisehoana no handravaka ny fandaharam-potoanana amin’izany. Ankoatra ny fampitomboana ny fifandraisana […]

Andro maneran-tany ho an’ny dihy: hitohy amin’ny faran’ny herinandro ny fankalazana

Mila hasongadina ny tontolon’ny dihy. Niraisan’ireo mpandihy sy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Kolontsaina io. Tsy omaly ihany fa hitohy amin’ny faran’ny herinandro izao ny hetsika marolafy momba ny dihy. 29 avrily, Andro maneran-tany ho an’ny dihy. Manamarika izany isan-taona ireo mpandihy eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny hetsika marolafy. Tsy najanona ho […]

Fototry ny fanabeazana: mikojakoja ny saina sy ny fitadidiana eo amin’ny ankizy ny vaky boky

Raha oharina ta­min’ny folo taona lasa, hita ho niha narisika ny ankizy sy ny tanora ankehitriny amin’ny fa­makiana boky, araka ny fanadihadiana natao. Ani­san’ny tombontsoa azo avy amin’izany ny fikolokoloana ny saina sy ny fanitaram-pahalalana. Fototra, manana ny lanjany lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana ny vaky boky. […]

FANTINA sy FINTINA

Nandefa taratasy any amin’ny FMI ny Kolektifa momba ny fifampiraharahana amin’ny volan’ny Fec sy ny FRD. “Takinay ny mangarahara amin’izany. Tokony horaisina koa ny hevitr’ireo mpisehatra ara-toekarena eto amintsika ary hampandalovina ny Antenimiera vaovao, ny jona izao, izany mba hiantraika amin’ny aty vilany ny fifanarahana”, hoy izy ireo. “Hanova ao […]

Fampielezan-kevitra mialoha : mitaky porofo marim-pototra ny Ceni

Mampiaka-peo amin’ny fahitana tsy fanarahan-dalàna etsy sy eroa, amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao, ny sasany amin’ireo kandidà hofidina solombavambahoaka. Nitondra valin-kafatra momba izany ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ny mpa­mpakateny, Soava Andriama­ro­tafika, fa horaisina ny fepetra raha tena miseho tokoa izany. “Mitaky porofo izahay ahafahana manaraka sy mikarakara izany. Porofo […]